Evanjelin' i Filipo

Avy amin'i Wikipedia
Sombiny amin' ny Evanjelin' i Filipo

Ny Evanjelin' i Filipo na Filazantsaran' i Filipo dia evanjely gnôstika izay nosoratana tokony tamin' ny taonjato faha-4. Hita tao amin' ny tranombokin' i Nag Hammadi tamin' ny taona 1945. Anisan' ny soratra apôkrifa ny Evanjelin' i Filipo. Tsy i Filipo mpianatr' i Jesoa na Jesosy no nanoratra ity evanjely ity. Voasoratra ao amin' io evanjely io fa tia an' i Maria Magdalena i Jesoa (ka nahagaga ny mpianany izany). Tantaraina ao araka ny fomba fijery gnôstika ny amin' i Maria avy any Magdala.

Fiaviany[hanova | hanova ny fango]

Toy ny amin' ny ankamaroan' ny filazantsara na evanely hafa dia tsy azo inoana ho i Filipo apôstôly no mpanoratra ity evanjely ity.

Nisy evanjelista atao hoe Filipo eto ("iray amin' ireo fito", fa tsy iray amin' ireo Apôstôly roa ambin' ny folo) voatonona ao amin' ny Asan' ny Apôstôly (Asa 21:8), izay mety ho niandohan' ny filazana ny mpanoratra io filazantsara io. Tsy voatery hidika anefa izany fa nanoratra tantara momba ny fiainan' i Jesoa izy, io fomba fiantsoana azy io dia mety manondro tsara ny toko faha-8 ao amin’ ny Asan’ ny Apôstôly, izay iresahana fa io Filipo io ihany no "nanambara an' i Kristy” tany Samaria na tamin' ny eonoka etiôpiana.

Vontoatiny[hanova | hanova ny fango]

Voasoratra ao amin' ny Evanjelin' i Filipo fa tia an' i Maria Magdalena i Jesoa (nahagaga ny mpianany izany). Ny tantaran' i Maria Magdalena (Maria Madelena) dia natao tamin' ny fomba fijery gnôstika.

Evanjely grikan' i Filipo[hanova | hanova ny fango]

Talohan' ny nahitana ny sora-tanana feno tao amin' ny tranomboky kôptan' i Nag Hammadi dia tsy nisy zava-pantatra avy amin' ny Filazantsaran' i Filipo afa-tsy teny fohy, nampidirina tamin' ny anaran' io evanjely io, tao amin' ny Panarion (amin' ny teny grika Πανάριον, "boatim-panafody") nosoratan' i Epifaniôsy avy any Salamisy, izay fanoherana ny Gnôstika.

Ny sombintsobiny ataon' ilay hereziôlôga tonontsiahy dia tsy miseho ao amin' ilay lahatsoratra hita tao Nag Hammadi. Na dia ny sasany amin' ny mpandinika aza manao an' ireo soratra apôkrifa ireo ho mitovy, toa rariny ny fiheverana ny fisian' ny evanjely roa miavaka, fahita matetika mantsy ny fitovian-dohateny. Hita ao amin' ny soratra apôkrifa kristiana mitondra ny anarana hoe Evanjely grikan' i Filipo io lahatsoratra voalohany io.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]