Vondrom-bokin' i Nag Hammadi

Avy amin'i Wikipedia

Ny vondrom-bokin' i Nag Hammadi na tranombokin' i Nag Hammadi dia fitambarana boky (kôdeksa) roa ambin' ny folo vita amin' ny zozoro natambatra amin' ny hoditra, tamin' ny taonjato faha-4. Hitan' ny tantsaha egiptiana roa indray tao Ejipta tamin' ny taona 1945 tao amin' ny toerana fanaovam-pikarohana arkeôlôjia ao Jabal al-Tarif ao akaikin' ny tanànan' i Hamrah Dawm, 5 km avaratry ny tanànan' i Nag Hammadi ao avaratra-andrefan' i Luxor, ka ankehitriny ireo boky ireo dia tahirizina ao amin' ny tranombakokan' i Kahira renivohitr’ i Ejipta.

Ireo kôdeksa ireo (tranainy indrindra amin' izay rehetra fantatra) dia misy famelabelaran-kevitra dimampolo eo ho eo amin' ny fiteny kôpta, misy fandikana lahatsoratra avy amin' ny teny grika taloha. Mety ho vita tamin' ny taonjato faha-2 ka hatramin' ny faha-3 ireo boky ireo. Ny ankamaroany dia asa soratra gnôstika, saingy misy lahatsoratra telo avy amin' ny lova hermetika, mitory lohahevitra mitovy amin' ny an' ny Corpus Hermeticum, ary ahitana fandikana ampahany ny Repoblika nosoratan' i Platôna. Ny ankamaroan' ireo lahatsoratra ireo dia tsy fantatra tany an-toeran-kafa, na fantatra ihany fa tamin' ny sombiny fotsiny.

Angamba ny malaza indrindra dia ny Filazantsaran' i Tômasy, izay hany kôpia feno ao amin' io vondrom-bokin' i Nag Hammadi io.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]