Nag Hammadi

Avy amin'i Wikipedia

I Nag Hammadi dia tanàna ao Ejipta Ambony. Tany am-boalohany, tany Ejipta nofehezin' ny Grika, dia nantsoina hoe Khênoboskion (amin’ ny teny grika: Χηνοβόσκιον), izay midika hoe "saha fiandrasan-gisa" izy. Any amin' ny morony havia amin' ny ony Nily (na Neily) no misy azy, 80 km avaratra-andrefan' i Luxor, ary misy mponina 40 000 eo ho eo, ary Kôpta ny 75 % amin' izy ireo.

Faritra fambolena i Nag Hammadi izay nametrahana orinasa lehibe fanodinana fary. Miorina eo akaiky ihany koa ny orinasa lehibe mpanodina viraty (Aluminium City). Ity tanàna ity dia mitondra ny anaran' ny olo-malaza iray tao an-tanàna, ho fanomezam-boninahitra azy, dia i Mahmoud Pasha Hammadi, izay nanangana azy io mba handraisana ny mpitsoa-ponenana noroahin' ny fibodoan-tany nataon' ny Britanika.

Hatramin' ny nahavelona indray ny fifanolanana islamista any Atsinanana Afovoany, ny fiangonana kôpta ao amin' io faritra io dia lasibatry ny fanafihan' ny mpampihorohoro tsy tapaka, noho ny maha-zava-dehibe azy ara-tandindona. Ny farany, fantatra amin' ny anarana hoe "Famonoana tao Nag Hammadi", dia niseho tamin' ny Janoary 2010.