Filipo (apôstôly)
I Filipo dia isan' ireo mpianatr' i Jesoa. Mpianatr' i Joany mpanao Batisa taloha izy. Izy ilay nanao hoe "Asehoy anay ny Ray".
Ny anarana[hanova | hanova ny fango]
Ny anarana hoe Filipo dia fanagasiana ny anarana amin' ny teny grika hoe Φίλιππος / Philippos.
I Filipo araka ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]
Any amin' ny tananan' i Betsaida akaikin' i Galelia (na Galilila) amoron' ny farihy Tiberiasy (na Tiberiada) no fiavian' i Filipo - sahala amin' i Petera sy i Andrea, izay samy apôstôly. Mpianatr' i Joany Batista sahala amin' i Andrea koa izy talohan' ny haha apôstôlin' i Jesoa (na Jesosy) azy. Ny Filazantsaran' i Joany dia mitantara ny fomba niantsoan' i Jesoa azy sy ny nanehoany an' i Natanaela tamin' i Jesoa. Mety ho i Bartôlômeo (na Bartelemy) io Natanaela io.
I Filipo no nitenenan' i Jesoa talohan' ny nampitomboany ny isan' ny mofo (Joa. 6.5-7). Izy no nisehoan' ny Jentilisa (na Jentily) alohan' ny hanatonan' izy ireo an' i Jesoa (Joa. 12.21-22). Tamin' ny fiaraha-misakafo farany nataon' i Jesoa dia izy ilay nangataka tamin' i Jesoa ny hanehoana amin' ny mpianatra ny Ray (Joa. 14.7-12).
Jereo koa[hanova | hanova ny fango]
- Apôstôly: Andrea - Bartôlômeo - Filipo - Jakôba zanak' i Alfeo - Jakôba zanak' i Zebedeo - Joany - Joda - Jodasy - Matio - Petera - Simôna Zelôta - Tômasy