Bartôlômeo
Aller à la navigation
Aller à la recherche
I Bartôlômeo na Bartelemy dia isan' ny apôstôly roa ambin' ny folo lahy. Μihevitra ny mpandinika sasany fa olona iray ihany i Bartôlômeo sy i Natanaela na Nataniela.
Ny anarany[hanova | hanova ny fango]
Ny Baiboly prôtestanta amin' ny teny malagasy no ahitana ny hoe Bartolomeo (mety fanagasiana ny endrika amin' ny teny anglisy hoe Bartholomew) fa ny Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy kosa manao azy hoe Bartelemy (fanagasiana ny endrika amin' ny teny frantsay hoe Barthélémy). Atao hoe בר-תולמי / Bar-Tolmay izy amin' ny teny arameana fa Βαρθολομαῖος / Bartholomaíos kosa amin' ny teny grika. Ny hoe Bar-Tolmay amin' ny teny arameana dia mety midika hoe "Zanaky ny bainga" na koa "Zanak' i Tolmai".
Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]
- Apôstôly: Andrea - Bartôlômeo - Filipo - Jakôba zanak' i Alfeo - Jakôba zanak' i Zebedeo - Joany - Joda - Jodasy - Matio - Petera - Simôna Zelôta - Tômasy