Jakôba zanak' i Alfeo

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche

I Jakôba zanak' i Alfeo na Jakôba Zandriny na Jakôba Kely dia isan' ireo mpianatr' i Jesoa roa ambin' ny folo lahy. Jiosy avy any Galilea (na Galilia) izy. Inefatra mitranga ao amin' ny Testamenta Vaovao ny anarany.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Atao hoe Iάκωβος ὁ τοῦ Ἁλφαίου / Iakôbos o toû Alphaiou izy amin' ny teny grika. Tsy afangaro amin' i Jakôba zanak' i Zebedio i Jakôba zanak' i Alfeo. Atao hoe koa Jakôba Zandriny (na Jakôba Kely) izy. Ny hoe Alfeo na Alphaios (grika) dia avy amin' ny anarana arameana hoe Alpai. יעקב בן חלפי / Ya'akov ben Halfay ny fiantsoana azy amin' ny teny hebreo. Ny hoe Jakoba Zandriny na Jakoba Kely dia fandikana ny teny grika hoe Ἰάκωβος ὁ μίκρος / Iakōbos ho mikros (Marka 15.40). Marihina fa iandian-kevitra ny maha nanoratra epistily an' i Jakôba zanak' i Alfeo.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]