Kainita
Ny Kainita na Kainiana dia hetsika na sekta gnôstika sy antinômista paleô-kristiana nofariparitan' ny heresiôlôga isan-karazany nanaraka an' i Ireneo avy any Logdonoma izay, tamin' ny faran' ny taonjato faha-2, nilaza - fa tsy nanome anarana azy io - vondrona iray nampifandraisiny amin' ny Filazantsaran' i Jodasy ary manandratra avo an' i Kaina izay heverin' izy ireo ho ambony vokatry ny fanoherany ny andriamanitry ny Testamenta Taloha (ny Demiorga). Atao hoe Καϊνοί / Kainoi sy Καϊανοί / Kaianoi izy ireo amin' ny teny grika.
I Kaina dia hajain' izy ireo ho toy ny niharam-boina voalohany noho ny nataon' ny Demiorga, izay heverin' ny vondrona gnôstika maro ho ratsy. Nilaza i Tertoliano sy i Ireneo fa nisy tao amin' ny Empira Rômana Atsinanana tamin' ny taonjato faha-2 izy ireo.
Ny fisian' ny vondrona toy izany, fara fahakeliny, amin' ny anarana toy izany, dia nampametra-panontaniana ny mpamakafaka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21.