Aller au contenu

Asan' ny Apôstôly apôkrifa

Avy amin'i Wikipedia

Asan' ny Apôstôly apôkrifa na Asa apôkrifa no ilazana ny boky mitondra anarana ahitana ny andian-teny hoe "Asan' ny Apôstôly" na ny teny hoe "Asa" nefa tsy voaray ho anisan' ny kanôna ao amin' ny Baiboly. Naka tahaka ny anaran' ny boky Asan' ny Apôstôly ny mpanoratra azy ireo. Karazana literatiora tamin' ny fiantombohan' ny fielezan' ny fivavahana kristiana izay mitantara ny fiainana sy ny asan' ny mpianatr' i Jesoa Kristy ireo boky ireo. Na dia tsy kanônika aza izy ireo dia ahafahana mamantatra ny amin' ny asa fitoriana ny Filazantsara tany amin' ny vahoaka hafa ivelan' ny voalaza ao amin' ny boky kanônika ao amin' ny Testamenta Vaovao. Ilay antsoina hoe Asan' ny Apôstôly – izay mikasika indrindra ny asa fitoriana nataon' i Petera (na Piera) sy i Joany (na Jaona) ary i Paoly sady eken' ny mpandinika maro fa tohin' ny Filazantsaran' i Lioka izay samy nosoratana ho an' ny olona atao hoe Teôfilo sady amin' ny fomba fanoratra mitovy – no boky mitovy sokajy amin' izy ireo ao amin' ny Baiboly kristiana.

Lisitry ny Asan' ny Apôstôly apôkrifa[hanova | hanova ny fango]

Ireto misy ohatra amin' ireo boky atao hoe "Asan' ny Apôstôly" ireo:

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]