Asan' i Tômasy

Avy amin'i Wikipedia

Ny Asan' i Tômasy dia soratra kristiana tamin' ny Andro Taloha izay mitantara ny dia fanatanterahana iraka nataon' ny apôstôly Tômasy tany amin' ny Fanjakana Indô-Partianan' i Taksila.

Soratra apôkrifa mitatitra ny fianinan' i Tômasy nanomboka amin' ny fotoana nahazoany ny anjara fitoriana tany India rehefa avy natao antsapaka ny tany hitorian' ireo apôstôly ny filazantsara. Natoky azy ny mpanjaka Godnafara (na Gôndôfaresy I) sady nanao fahagagana maro tao izy. Mifarana amin' ny namonoana azy ho maritira araka ny fanapahan-kevitry ny mpanjaka Mazday ny tantara izay narahin' ny fisehoany taorian' ny nahafatesany.

Ny mpandinika momba ny fampianaran-diso (hereziôlôga) kristiana dia mahatsikaritra "fiviliana" gnôstika sy enkratista. Ny nanoratra an' io lahatsoratra io dia hita ho manam-pahalalana an' i India nefa sarotra ny hanaporofo na hitsipaka ny maha mpanorina ny Fiangonan' i Kerala an' i Tômasy araka izay lazain' io soratra io[1].

Ny tantara hita ao amin' ny Asan' i Tômasy dia loharano nanoratana ny tantaran' i Tômasy ao amin' ny boky atao hoe Ny Tantaran' ny adin' ny Apôstôly, asa soratra izay mitantara ny asa famitana iraka (misiôna) nataon' ny apôstôly sy ny nahafatesan' ny ankamaroan' izy ireo, izay heverina fa nosoratan' i Abdiasy, evekan' i Babilôna.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Boky amin' ny anaran' i Tômasy:


Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. Dictionnaire encyclopédique de la Bible, Brepols, 2003.