Apôkalipsin' i Tômasy

Avy amin'i Wikipedia

Ny Apôkalipsin' i Tômasy na Apôkalipsan' i Tômà dia asasoratra apôkrifa lazaina fa nosoratan' i Tômasy na Tômà, nefa tsy tena fantatra hoe i Tômasy iza izany, mety ho i Tômasy Apôstôly izany, na koa iray amin' ny mpianatra telo akaiky indrindra an' i Manika, izay nantsoina hoe Tômasy ihany koa, na olona hafa. Tsy dia lava loatra ilay asasoratra fa fehintsoratra 13 monja no ao amin' ny endrika fohy, ary 28 amin' ny endrika lava. I Tômasy dia mitantara ny fahitan' Andriamanitra ny fiafaran' izao tontolo izao mandritra ny fito andro, sy ny zavatra hitranga amin' ny tsirairay. Amin' ny andro fahavalo, dia hatolotra ho an' Andriamanitra ny olom-boafidy, ka amin' izany izy ireo dia hifaly noho ny fandravana ny tontolo mety maty feno ota.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Boky lazaina fa nosoratan' i Tômasy:

  • Apôkalipsin' i Tômasy (na Apôkalipsan' i Tômà)