Kristianan' i Masindahy Tômasy
Ny Kristianan' i Masindahy Tômasy dia vondron' olona sy fiangonana any amin' ny faritra atsimo amin' i India izay efa nisy nanomboka tamin' ny fiandohan' ny kristianisma. Araka ny lovantsofina eo an-toerana dia tonga tany amin’ ny tanin' ny Indiana ny apôstôly Tômasy tamin’ ny taona 52 mba hitory ny filazantsara amin' io firenena io, izany dia midika fa efa nahafantatra ny kristianisma taloha kokoa noho ny firenena eorôpeana maro i India. Satria avy amin' ny lova siriaka na siriana ny Fiangonana indiana, mihevitra ny mpahay tantara fa mety misy ifandraisany amin' ny fifanakalozana ara-barotra sy ara-kolontsaina miaraka amin' ny Afovoany Atsinanana ny fahatongavan' ny kristianisma tany India. Amin’ izao fotoana izao dia mbola misy Fiangonana tatsinanana maromaro any Kerala. Tena nisy mikorontana miaraka amin' ny fisarahana sy famerenana ny firaisana maro ny tantaran' izy ireo.