Aller au contenu

Fanomezana daty amin' ny karbônina-14

Avy amin'i Wikipedia

Ny fanomezana daty amin' ny karbônina-14, na fanomezana daty amin' ny radiôkarbônina, dia fomba fanombanana daty amin' ny alalan' ny fandrefesana ny hetsika radiôlojikan' ny karbônina-14 (14C) voarakitra ao amin' ny akora ôrganika (izany hoe avy amin-javamananaina) izay tiana ho fantarin-taona nisiana, izany hoe ny fotoana lany hatramin' ny nahafatesan' ilay zavamananaina (biby na zavamaniry) mandrafitra azy. Afaka manondro daty eo anelanelan' ny zato taona vitsivitsy sy 50 000 taona ity fomba ity. Nahafahana nanome daty marina kokoa noho ny taloha ny fampiharana an' io fomba fiasa io amin' ny zavatra nitranga taloha, indrindra rehefa mihoatra ny 6 000 taona ny nisian' ilay zavatra (tamin' ny vanim-potoana talohan' ny tantara). Nitondra fandrosoana lehibe teo amin' ny arkeôlôjia sy ny paleôntôlôjia izy io noho izany.