Aller au contenu

Fanandroana babilôniana

Avy amin'i Wikipedia
Ny andriamanitra Marduk

Ny fanandroana babilôniana no fanandroana fantatra voalohany, izay nipoitra tamin' ny taonarivo faharoa tal. J.K.

Tany Babilôna sy tany Asiria, amin' ny maha sampana nivantan' ny kolontsaina babilôniana azy, ny fanandroana dia naka ny toerany ho anisan' ny fitaovana roa lehibe azon' ny mpisorona (izay nantsoina hoe bare na "mpanara-maso") mba hamantarana ny sitrapo sy ny fikasan' ny andriamanitra, ny iray kosa dia tamin' ny alalan' ny fijerena ny atinin' ny biby natao sorona.

Fiaviany[hanova | hanova ny fango]

Misy tombantombana ilazana fa niseho tamin' ny vanim-potoana someriana ny fanandroana tamin' ny taonarivo faha-3 tal. J.K., tsy heverina ho porofo ampy anefa ny fanondroana fotsiny ny fambara eny amin' ny lanitra tamin' io vanim-potoana io mba hanaporofoana ny rijan-kevitra momba ny fanandroana. Araka izany, ny tantaran' ny manam-pahaizana momba ny fisikidian-danitra dia voalaza fa nanomboka tamin' ny lahatsoratra babilôniana taloha (manodidina ny taona 1800 tal. J.K.), nitohy hatramin' ny vanim-potoana babilôniana antenatenany sy vanim-potoana asirianina antenatenany (manodidina ny taona 1200 tal. J.K.).

Tamin' ny taonjato faha-16 tal JK, ny fampiasana betsaka ny fanandroana mifototra amin' ny fambara dia azo porofoina amin' ny fanangonana asasoratra fanondroana feno izay fantatra amin' ny anarana hoe Enuma Anu Enlil. Ny tao anatiny dia nisy takela-bato 70 misy soratra miendri-pantsika milaza fambara eny amin’ ny lanitra miisa 7 000. Ny lahatsoratra tamin' io fotoana io koa dia manondro lovantsofina am-bava - ny niandohany sy ny vontoatiny dia tombanana fotsiny. Tamin' izany fotoana izany, ny fanandroana babilôniana dia momba ny fiainana ivelan' ny fivavahana, ary talohan' ny taonjato faha-7 tal JK dia mbola tsy ampy ny fahatakaran' ny mpisehatra momba ny haikintana. Noho ny tsy fahafahan' izy ireo maminavina tsara ny trangan-javatra hoavy eny amin' ny lanitra sy ny hetsiky ny planeta mialoha lavitra, dia natao ny fandikana amin' ny fotoana isehoan' ny tranga na mialoha kely. Na izany aza, tamin' ny taonjato faha-4 tal JK, dia nandroso tsara ny fomba fiasa ara-matematika ahafahana manombana ny toeran' ny planeta amin' ny hoavy miaraka amin' ny fahamarinan-tandrify azo ekena, ary tamin' izany fotoana izany dia nanomboka niseho ny efemerida maro dia maro.

Fototra ara-binany[hanova | hanova ny fango]

Ny tantaran' ny fanandroana babilôniana dia mampiseho ny fivoaran' ny fahalalana ara-kaikintana ao anatin' ny tontolon' ny vinany. Ny fitambarana takela-bato 32 misy sarin' atim-biby misy soratra, nanomboka tamin' ny taona 1875 tal JK tany ho any, no asasoratra tranainy indrindra fantatra amin' ny antsipiriany momba ny vinany babilôniana, ary izany dia mampiseho fa mitovy ny fomba fandikana azy ireo amin' ny famakafakana ny fambara eny amin' ny lanitra. Ny kilema sy ny marika hita teo amin' ny atin' ny biby natao sorona dia noheverina ho famantarana an' ohatra izay mitondra hafatra avy amin' ny andriamanitra ho an' ny mpanjaka.

Ny andriamanitra koa dia noheverina fa miseho amin' ny alalan' ny planeta na kintana eny an-danitra izay mifandray amin' izy ireo. Noho izany, ny fambara ratsy eny amin' ny lanitra mipetaka amin' ny planeta iray dia heverina ho famantarana ny tsy fahafaham-po na ny fikorontanan' ny andriamanitra asehon' ilay planeta. Mifanandrify amin' ny fiezahana hampitoniana an' ilay andriamanitra izany famantarana izany, ary tadiavina ny fomba azo fehezina hahatongavana amin' ny fanehoana an' ilay andriamanitra tsy mitera-pahavoazana be ho an' ny mpanjaka sy ny fireneny. Ny tatitra ara-kaikintana natao tamin' ny mpanjaka Esarhaddon momba ny fanakonam-bolana tamin' ny 18 Janoary 672 tal JK dia mampiseho ny fomba fampiasana ara-pombafomba ny mpanjaka misolo toerana, na fisehoan-javatra misolo toerana, nampitambatra ny finoana tsy azo iadian-kevitra ny amin' ny mazia sy ny fambara ary ny fiheverana ara-mekanika fotsiny fa tsy maintsy misy zavatra mifandray aminy, ao amin' ny tontolo voajanahary, ny fisehoan-javatra momba ny fanandroana:

... Amin' ny fiandohan' ny taona dia hisy safodrano ho avy ka handrava ny fefiloha. Rehefa nanao ny fanakonana ny volana, dia tokony hanoratra amiko ny mpanjaka tompoko. Ho solon' ny mpanjaka dia hokapaiko amin' ny misasakalina ny fefiloha eto Babilôna. Tsy hisy hahalala izany.

I Ulla Koch-Westenholz, ao amin' ny bokiny Mesopotamian Astrology, tamin' ny taona 1995, dia milaza fa io fisabakan' ny fomba fijery ara-pinoana sy ara-mekanika io dia mamaritra ny atao hoe fisikidian-danitra amin' ny Babilôniana, na dia eo aza ny fiankinan-doha mafy amin' ny mazia, dia mijanona ho tsy misy fiantraikany amin' ny sazy natao ho valifaty izany, ary noho izany dia "iarahany manana ny sasany amin' ny toetra mampiavaka ny siansa môderina: tsy miandany izy ary tsy misy lanjany, miasa araka ny fitsipika fantatra, ary heverina ho manan-kery maneran-tany ny angon-drakitra ary azo jerena amin' ny tabilao voasoratra". I Koch-Westenholz koa dia nametraka ny fanavahana manan-danja indrindra teo amin' ny fanandroana babilôniana fahiny sy ny taranjam-pisikidiana hafa satria ny teo aloha dia momba ny fiainana ivelan' ny fivavahana, izay nitodika ara-jeôgrafia sy nampiharina manokana amin' ny tanàna sy ny firenena, ary saika misahirana tanteraka amin' ny fiahiana ny fanjakana sy ny mpanjaka, amin' ny maha lohan' ny firenena azy.

Ny planeta sy ny andriamanitra[hanova | hanova ny fango]

Jereo: tetiandro babilôniana

I Marduk no andriamanitra mpiaro manokana an' i Babilôna, ​​ary io andriamanitra io dia fantatra ao amin' ny fanandroana babilôniana fa ny planeta Jopitera. Nekena ho andriamanitra mahery indrindra i Marduk, nefa tsy izy irery no andriamanitra. Ny Babilôniana dia mpivavaka be, nino andriamanitra maro izay nanana tanjona samihafa, ary nampifandraisina tamin' ny planeta sasany ny andriamanitra sasany.

Nampiasa ny fanandroana hôrôskôpika ny Babilôniana. Tamin' ny fandinihana ny hetsiky ny Masoandro sy ny Volana ary ny planeta, ny Babilôniana dia nampifandray ny finoany ny fidirana an-tsehatry ny andriamanitra teo amin' ny fiainany andavanandro amin' ny habaka sy ny fotoana. Maminavina ny toe-javatra ho avy izy ireo amin' ny fandinihana ny habakabaka mamakivaky ny fotoana sy ny fampifamatorana ny zava-mitranga mampihoron-koditra, toy ny fanakonam-bolana, amin' ny olana ara-tsôsialy sy ara-pôlitika ary ara-tontolo iainana teo amin' ny fiainany andavanandro, toy ny fiterahana zaza kilemaina.

Nino ny Babilôniana fa nisy vokany teo amin' ny fiainany ny asan' ny andriamaniny. Ireo fisehoan-javatra eny amin' ny lanitra ireo dia noheverin' ny Babilôniana ho toy ny fidirana an-tsehatry ny andriamanitra teo amin' ny fiainany tamin' ny fampiasana ny herin' ny Masoandro sy ny Volana ary ny planeta, ary mba hanaovana fampilazana momba ny fotoana hitrangan' ny zava-dratsy na tsara. Zava-dehibe amin' ny finoan' ny Babilôniana ny fanandroana hôrôskôpika, satria ny fampifandraisana ny Masoandro sy ny Volana ary ny planeta amin' ny andriamaniny no namolavola ny fomba fiainan' ny Babilôniana sy ny fomba fijeriny momba ny tontolo manodidina azy. Ny fampimiran-jotra misy eo amin' ny hôrôskôpy sy ny fambara momba ny fahaterahana ao amin' ny takela-bato seleokida dia mampiseho ny toetran' ny planeta manambina sy mandoza ao amin' ny fanandroana babilôniana. Ny Babilôniana dia nampifandray sy namorona ny finoany manodidina ny planeta mifototra amin' ny toetran' ilay andriamanitra ampifandraisina aminy. Ny planeta manana toetra ratsy dia sokajina ho madoza. Ny planeta dia ninoana fa misy fiantraikany sy manome tari-dalana ho an' ny olombelona, ​​mandritra ny fiainany. Ny fomban' ny planeta no mamaritra raha manambina na mandoza.

Nozarain' ny Babilôniana ho vondrona telo ny kintana raikitra: ny kintan' i Anu sy ny an' i Enlil ary ny an' i Ea na Enki. Ny maha ao amin' ny vondrona iray ny kintana, ho an' ny ankamaroan' izy ireo, dia niankina amin' ny toerana iposahan' izy ireo eny amin' ny faravodilanitra atsinanana. Nizara ho Lalan' i Anu sy Lalan' i Enlil ary Lalan' i Ea ny faravodilanitra. Izany dia manondro ny andriamanitra ampifandraisin' ny mpanandro babilôniana amin' ny faritry ny lanitra na ny faritry ny habakabaka, ary anisan' ny ohatra amin' ny fomba nampifandraisana ny andriamanitra amin' ny kintana sy ny planeta.

Amin' ny planeta dia dimy no fantratra: i Jopitera, i Venosy, i Satiorna, i Merkiora ary i Marsa - raha hotanisaina araka ny filaharany hita ao amin' ny literatioran' ny soratra miendri-pantsika tranainy; ao amin' ny lahatsoratra manaraka dia miova toerana i Merkiora sy i Satiorna.

Ireo planeta dimy ireo dia ampitovina amin' ny andriamanitry ny panteôna babilôniana araka izao manaraka izao:

Ny hetsiky ny Masoandro sy ny Volana ary ny planeta dimy dia noheverina ho maneho ny asan' ny andriamanitra dimy resahina, miaraka amin' ny andriamanitra volana/andriamanibavy Sin/Selardi sy ny andriamanitra masoandro Shamash/Utu, amin' ny fanomanana ny fisehoan-javatra eto an-tany. Noho izany, raha azo atao ny mamaky sy mandika tsara ny asan' ireo hery ireo, dia fantatra izay tian' ny andriamanitra hatao.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]