Mardoka

Avy amin'i Wikipedia
Sarivongan' i Mardoka (Marduk), taonjato faha-9 tal. J.K., miaraka amin' ny dragona mpanompony atao hoe Moshoso (Mušḫuššu).

I Mardoka dia andriamanitra nivavahan' ny mponina tany Mesôpôtamia tamin' ny Andro Taloha ary andriamanitra mpiaro ny tanànan’ i Babilôna izay lasa mpanjakan’ ireo andriamanitra tamin’ ny taonarivo voalohany tamin’ ny farany. Tao amin’ ny tanànan’ i Babilôna, ​​i Mardoka dia nivavahana tao amin’ ny tempolin’ i Esagil. Ny mari-pamantarana dia ny lefona ary mifandray amin' ny Moshoso (Mušḫuššu) izy. Amin' ny teny someriana izy dia atao hoe Amar utu.k "Zanak' ombin' ny masoandro", fa amin' ny teny hebreo dia מְרֹדַךְ‎ / Merōdaḵ. Tamin' ny taonarivo voalohany tal. J.K. dia nanjary nifandray ara-panandroan-kintana tamin' ny planeta Jopitera i Mardoka.

Mombamomba azy[hanova | hanova ny fango]

Nipetraka tao Babilôna i Mardoka, tao amin’ ny fitoerana masin’ i Esagil, izay ahitana ny zigoratan' i Etemenanki, izay noraisin' ny taranaka taty aoriana ho ny Tilikambon' i Babela. Ny vadiny dia i Sarpanito (Ṣarpanitu). Ny Mesôpôtamiana no nanao azy ho lahimatoan' i Ea sy i Damkina andriamanibavy. Andriamanitry ny asatany tsy dia nanan-danja loatra i Mardoka nefa nisolo an' i Enlily (Enlil) sy nandray ny toetrany tamin' ny farany, ka lasa andriamanitra fara tampony amin' ny panteôna babilôniana. Nalaza izy nandritra ny fitondran’ i Nabokôdônôzôra I, mpanjakan’ i Babilôna ​nanomboka tamin’ ny taona 1125 tal. J.K. ka hatramin’ ny 1104 tal. J.K. Ny Tononkalon' ny Famoronana (Enuma Elish), nosoratana tamin' izny fotoana izany dia natao hanamarinana izany fandrosoan' ny lazany izany. Izy dia mifandray amin' ny dragona Moshoso (Mušhuššu), ny planeta Jopitera ary ny isa 50 (izay nomena an' i Enlil).

Araka ny kôsmôgônia babilôniana, amin' ny fiafaran' ny ady maharitra, ny andriamanitra tanora Mardoka dia manapakatapaka an' i Tiamat, renin' ireo andriamanitra, izay fahatongavana ho nofon' ny andriamanibavin' ny Kaôsy voalohany indindra (Khaos) sy ny ranomasina: avy amin' ny vatany sy ny lohany no namoronany ny lanitra, avy amin' ny tongony sy ny rantsambatany ambany no namoronany ny tany. Avy amin' ny Tiamat no nipoiran' ny rano tonga amin' ny endrika rahona ary ny ranomasony no loharanon' ny ony Tigrisy sy Eofrata. Maty koa i Kingu, zanak’ i Tiamat, ary tamin’ ny rany no namoronan’ i Mardoka ireo olombelona voalohany. Taorian' ny nandreseny an' i Tiamat, izay andriamanibavy voalohany, dia lasa mpanjakan' ny andriamanitra i Mardoka. Naka ny toeran' i Anu ao amin' ny panteôna mihitsy izy.