Aller au contenu

Anu (andriamanitra)

Avy amin'i Wikipedia
Famantarana ny andriamanitra isan-karazany, anisan' izany i Anu (zoro ambany ankavanana) eo amin' ny kudurru an' i Ritti-Marduk, avy any Sippar, Iràka, taona 1125–1104 tal. J.K.

I Anu na Anum dia andriamanitry ny lanitra sy ny zavamaniry ary ny orana ao amin' ny fivavahana sy fedrà mesôpôtamiana; izy no rain' ny andriamanitra. Mitoetra ao amin' ny fanjakana any an-danitra izy; voalaza fa manana fahefana hitsara ny mpanao heloka bevava rehetra izy. Izy no rain' i Enlil sy Enki. Izy àry no razambe sy loharano ary mpiantoka ny fahefana.

Na dia noheverina ho tompon' ny andriamanitra izy tamin' ny voalohany, dia nosoloin' i Enlil tsikelikely, avy eo i Marduk, mandra-pahatongany ho toy ny fanoharana hanondroana ny lanitra. Matetika io fanetrena azy io dia vokatry ny fihen-danjan' ny tanànan' i Uruk, izay misy ny toeram-pivavahana aminy lehibe indrindra. Tena mahalana ny fanehoana azy amin' ny zavakanto, ny anaran-toetrany dia mbola manjavozavo; ny satro-boninahitra tiara dia mety maneho azy ara-panoharana.