Aller au contenu

Enlil (andriamanitra)

Avy amin'i Wikipedia
Sarivongan' ny andriamanitra Enlil

I Enlil na ʿĒllil dia iray amin' ny andriamanitra lehibe indrindra amin' ny fivavahana mesôpôtamiana tamin' ny Andro Taloha. Mety ho andriamanitra mifandray amin' ny rivotra izy tany am-boalohany, ary heverina nandritra ny tapany faharoa amin' ny taonarivo faha-3 tal JK. sy tamin' ny ampahany be amin' ny taonarivo faha-2 tal JK ho mpanjakan' ny andriamanitra, andriamanitra ambony indrindra tao amin' ny panteôna mesôpôtamiana. Izy no manome, amin' ny alalan' ny fanapahan-keviny, fahamboniana ny mpanjaka olombelona, izay manome azy toerana voafidy manokana amin' ny fanatitra ataon' izy ireo sy amin' ny sora-tsokitra fahatsiarovana ho azy. I Enlil dia mahalana no mpandray anjara fototra amin' ny fedrà, saingy matetika izy no mitana andraikitra lehibe amin' ny maha filohan' ny andriamanitra azy. I Nippur, izay tanàna misy ny tempoly lehibe natokana ho an' i Enlil, dia nahazo laza lehibe ara-pivavahana sy ara-kolontsaina avy amin' izany, nefa tsy avy ao no niandohan' ny tarana-mpanjaka mahery.