Aller au contenu

Enki (andriamanitra)

Avy amin'i Wikipedia
Sary mivohitra maneho an' i Enki, tao amin' ny tombokasen' i Adda

I Ea na Aya (amin' ny fiteny semitika taloha toy ny fiteny akadiana), fantatra amin' ny anarana hoe Enki ao amin' ny lahatsoratra somerianina, dia iray amin' ny andriamanitra lehibe tany Mesôpôtamia tamin' ny Andro Taloha ary indrindra tany amin' ny faritra Atsinanana Akaiky taloha. Ity andriamanitra ity angamba dia volatry ny fitambaran' ny andriamanitra roa, ny voalohany andriamanitra semitika fa ny faharoa andriamanitra someriana, ka ny toetran' ilay faharoa no nanjaka taty aoriana.

I Ea na Enki dia heverina ho tompon' ny ranomamy ambanin' ny tany (Abzu), izay andriamanitra hendry indrindra, tompon' ny fahaiza-manao maro, izay mitarika ny zavakanto sy ny teknika, ny mazia sy ny fandroahana fanahy ratsy. Ao amin' ny fitantarana fedrà dia andriamanitra tena manan-danja izy, izay miditra an-tsehatra imbetsaka amin' ny maha mpamorona na mpanolo-tsaina azy, ary manampy amin' ny toe-javatra sarotra atrehin' ny andriamanitra lehibe hafa. Ny anjara asany amin' ny maha mpamorona azy dia tonga tamin' ny fara tampony tamin' ny famoronana ny olombelona, ​​izay tantaraina ao amin' ny fedrà maro andraisany anjara toerana lehibe hatrany.

Notompoina tany Mesôpôtamia izy, indrindra fa tao amin' ny tanànan' i Eridu manao azy ho mpiaro, sady nanana fitoerana masina tany amin' ny tanàna maro. Nahazo fahombiazana lehibe ny fivavahana aminy nandritra ny Andro Taloha, satria voaporofo hatrany Anatôlia sy Ampiposahana nandritra ny tapany faharoa amin' ny taonarivo faha-2 tal JK.