Aller au contenu

Shamash (andriamanitra)

Avy amin'i Wikipedia
Fanehoana an' i Shamash avy amin' ny Takela-tanimangan' i Shamash (manodidina ny taona 888 - 855 tal JK), izay mampiseho azy mipetraka eo amin' ny seza fiandrianany mitsatra sady mamihina ny famantarana tsorakazo sy peratra.

I Shamash na Utu dia andriamanitra masoandro mesôpôtamiana tamin' ny Andro Taloha. Ninoana ho mahita ny zava-drehetra eto amin' izao tontolo izao isan' andro izy, ka noho izany dia tompon' andraikitra amin' ny fitsarana sy ny fiarovana ny mpandeha. Amin' ny maha andriamanitra mpitsara azy dia azony atao ny mifandray amin' ny tontolo ambanin' ny tany. Ankoatra izany dia afaka miasa ho andriamanitry ny vinany izy, matetika miaraka amin' ny andriamanitry ny toetrandro Adad. Na dia noheverina ho anisan' ny andriamanitra voalohany ivavahan' ny olon-drehetra aza izy, dia tao Sippar sy Larsa no nanompoana azy manokana. Ilay andriamanitra volana Nanna (na Sin) sy i Ningal vadiny no ray aman-dreniny, raha i Inanna (na Ishtar) kosa no anabavy kambana aminy. Indraindray dia azo heverina ho anabaviny koa ny andriamanibavy hafa toa an' i Manzat sy i Pinikir. Ny andriamanibavin' ny mangiran-dratsy Aya (na Sherida) no vadiny, ary lahatsoratra maro no mitantara ny fivorian' izy ireo isan' andro any amin' ny tendrombohitra iray izay inoana fa ilentehan' ny masoandro. Anisan' ny zanany i Kittum, izay mampiseho ny fahamarinana, ny andriamanitry ny nofy toa an' i Mamu, ary ny andriamanitra Ishum. Ny anaran' i Utu dia azo nampiasaina hanoratana ny anaran' ny andriamanitra masoandro vahiny maro amin' ny fomba lôgôgrafika. Ny fifandraisana misy eo aminy sy ny andriamanitra masoandro horiana Shimige dia voaporofo manokana, ary ity farany dia azo ampifandraisina amin' i Aya koa.

Na dia tsy fantatra aza ny fedra mifantoka manikana amin' i Utu, dia matetika izy no miseho ho mpiara-miasa amin' ny andriamanitra hafa ao amin' ny asasoratra someriana sy akadiana. Araka ny fitantarana momba ny fahafatesan' i Dumuzi dia nanampy tamin' ny fiarovana azy izy rehefa nanandrana nitarika azy ho any amin' ny tontolo ambanin' ny tany ny demony galla. Ao amin' ny endrika samihafan' ny Tononkalon' i Gilgamesh sy ao amin' ny fedrà momba an' i Gilgamesh voalohany dia manampy an' io mahery fo io izy handresy an' ilay Humbaba goavambe. Ao amin' ny fedrà atao hoe Inanna sy An dia manampy ny anabaviny hahazo ny tempoly Eanna izy. Ao amin' ny Fomba nahatongavan' ny voamadinika tany Sumer dia niangaviana izy mba hanoro hevitra an' i Ninazu sy i Ninmada.