Aller au contenu

Enuma Anu Enlil

Avy amin'i Wikipedia
Iray amin' ny takela-tanimangan' ny Enūma Anu Enlil

Ny Enuma Anu Enlil na Enūma Anu Enlil hafohezina amin' ny hoe EAE, dia andian-takela-tanimanga miisa 68 na 70 (arakaraka ny fanisana) izay miresaka momba ny fanandroana sy ny haikintana babilôniana. Ny ankabeazan' ilay asasoratra dia fanangonana fambara be dia be, izay tombanana ho eo anelanelan' ny 6 500 sy 7 000, izay manome ny hevitry ny karazana fisehoan-javatra eny amin' ny lanitra sy eny amin' ny atmôsfera manan-danja ho an' ny mpanjaka sy ny fanjakana. Ny hoe Enūma Anu Enlil dia midika hoe "amin' ny andron' (ny andriamanitra) Anu sy Enlil".