Aller au contenu

Nabu

Avy amin'i Wikipedia
Sarivongan' ny andriamanitra Nebu

I Nabu na Nebo dia andriamanitra tao amin' ny fivavahana mesôpôtamiana tao amin' ny Babilôniana, izay mpiaro ny fahalalana, ny literatiora, ny haikanto voasaina, ny fanaovan-dikasoratra ary ny fahendrena. Mifandray amin' ny planeta Merkiora izy ao amin' ny fanandroana babiloniana.

Araka ny fedrà babilôniana dia zanak' i Marduk sy i Sarpanitu izy. I Tashmetu no vadiny. Io andriamanitra io, raha ny marina, dia efa fanta-pisiana hatry ny ela tany Siria, tany Ebla (taonjato faha-24 tal JK). Nivavahana tany Mesôpôtamia Atsimo izy tamin' ny fiandohan' ny taonarivo faha-2 tal JK. izy.

Tany Borsippa, akaikin' i Babilôna, ​​ny tempoliny lehibe indrindra, izay nantsoina hoe Ezida, izay midika hoe "Tempoly Madio" amin' ny teny someriana. Ny tempoly natokana ho an' i Nabu dia betsaka ihany, indrindra fa tany Asiria izay nampalaza azy indrindra.

Ny planeta Merkiora dia nomena an' i Nabu. Mety ho akaikin' ny fototeny semitika midika hoe "mpaminany" ny anarany, na midika hoe "mamirapiratra" ny anarany. Izy no tompon' andraikitra amin' ny fanoratana teo amin' ny takela-tanimangany ny anjaran' ny olombelona tsirairay. Lasa andriamanitra lehibe izy tamin' ny vanim-potoana babilôniana vaovao sy tamin' ny vanim-potoana asiriana vaovao.

Ny famantarana azy dia ny bararata fanoratana mifandray amin' ny takela-tanimanga fanoratana. Mitovy amin' ny an' ny rainy ny biby famantarana azy, dia ny dragona-bibilava (mušhuššu na sirrush).