Aller au contenu

Selardi (andriamanitra)

Avy amin'i Wikipedia

I Selardi na Sielardi na angamba koa Melardi dia andriamanitra volana tao Urartu. Hatramin' ny vao haingana dia noheverina fa vavy io andriamanitra io, na dia tsy mitovy hevitra amin' izany aza ny manam-pahaizana sasany.

Noheverina fa mifanitsy amin' ilay andriamanitra volana babilôniana atao hoe Sin i Selardi. I Nicholas Adontz dia mihevitra fa ny anarana hoe "sielardi" dia avy amin' ny hoe "siela", izay midika hoe "vehivavy" na "rahavavy", ary ny hoe "ardi" dia midika hoe "andriamanitra masoandro" amin' ny teny armeniana. Nilaza izy fa tany Atsinanana tamin' ny Andro Taloha, ny Volana dia noheverina ho anabavin' ny Masoandro, fa tsy vadiny.

Misy manam-pahaizana hafa milaza fa lahy io andriamanitra io ary mihevitra izy ireo fa ny anarany dia tokony hovakiana hoe Melardi. Nampitahaina amin' ny anaran' ny andrianan' i Urartu, Melartua, zanak' i Rusa I, izy. Azo inoana fa mifandray amin' ny teny hoe մեղարդ / meghard (izay midika hoe "volana") izy io, voasoratra ao amin' ny rakibolana armeniana tamin' ny Andro Antenatenany nosoratan' i Yeremia Meghretsi.