Aller au contenu

Nergal

Avy amin'i Wikipedia
Ny andriamanitra Nergal. Sombiny amin' ny dian-tombo-kase avy ao Larsa.

I Nergal dia andriamanitra mesôpôtamiana nivavahana nandritra ny vanim-potoana rehetra teo amin' ny tantaran' i Mesôpôtamia, nanomboka tamin' ny andron' ny Dinastia voalohany ka hatramin' ny andron' ny Empira Babilôniana Vaovao, miaraka amin' ny porofo vitsivitsy milaza fa ny fivavahana aminy dia naharitra na taorian' ny vanim-potoana nanjakan' ny Akemenida aza.

Nampifandraisina amin' ny ady sy ny fahafatesana ary ny aretina izy, ary voalaza fa "andriamanitry ny fahafatesana fampijaliana" izy. Nanjaka tao amin' ny tontolo ambanin' ny tany mesôpôtamiana, izay atao hoe Kur, izy, araka ny fedrà, na amin' ny anaran' ny ray aman-dreniny Enlil sy Ninlil, na taty aoriana vokatry ny fanambadiany ny andriamanibavy Ereshkigal. Tany am-boalohany dia i Mammitum, andriamanibavy mety nifandray amin' ny fanala, na i Laṣ, izay noheverina ho andriamanibavy madiniky ny fitsaboana, no noheverina ho vadiny, na dia misy lovantsoina hafa koa aza.

I Kutha no ivontoeran' ny fivavahana aminy voalohany, any amin' ny tapany avaratr' i Babilônia. Ny tempoliny lehibe indrindra dia nitondra ny anarana hoe E-Meslam ary izy koa dia fantatra amin' ny anarana hoe Meslamtaea, "izay mivoaka avy ao Meslam". Tany avaratra ihany no nivavahana aminy tamin' ny voalohany, ka anisan' izany ny tao Girsu nandritra ny fitondran' i Gudea avy any ​​​​Lagash, saingy nanomboka tamin' ny vanim-potoan' i Ur III dia lasa andriamanitra lehibe tany atsimo koa izy. Niavaka izy tany Babilôna sy Asiria tamin' ny vanim-potoana tatỳ aoriana, ary tao amin' ny Empira Babilôniana Vaovao dia noheverina ho andriamanitra fahatelo lehibe indrindra izy, aorian' i Marduk sy i Nabu.

I Nergal dia nifandray amin' ny andriamanitra maro tompon-tany na vahiny. Ilay andriamanitra akadiana Erra dia nafangaro aminy tamin' ny fotoana voalohany, ary indrindra fa ao amin' ny lahatsoratra dia nanondro andriamanitra iray ihany ny anaran' izy roa. Ny andriamanitra lehibe hafa nampitahaina na nampitovina matetika aminy dia ilay andriamanitra tany andrefana atao hoe Resheph, izay fantatra tsara ny fivavahana aminy indrindra tany Ebla sy tany Ogarita (Ugarit), izay andriamanitry ny ady sy ny areti-mandringana ary ny fahafatesana, ary ny andriamanitra elamita Simut, izay azo inoana fa andriamanitra mpiady sady nakambana tamin' planeta Marsa miaraka amin' i Nergal. Misy ihany koa ny soso-kevitra izay milaza fa ny anarany dia nampiasaina hanehoana andriamanitra horita, angamba i Kumarbi na i Aštabi, ao amin' ny sora-tsokitra tany am-boalohany avy any Urkesh, saingy misy porofo koa fa nivavahan' ny Horita tamin' ny anarany manokana izy amin' ny maha anisan' ny andriamanitra mesôpôtamiana nampidirina tao amin' ny panteônan' izy ireo manokana.

Fedrà roa malaza no mifantoka amin' i Nergal, dia I Nergal sy i Ereshkigal ary Ny Tononkalion' i Erra. Ny voalohany dia mamaritra ny toe-javatra momba ny fanambadiany an' i Ereshkigal, andriamanibavin' ny maty tao amin' ny fivavahana mesôpôtamiana, fa ilay farany kosa dia milazalaza ny fihoaram-pefy sy ny ezaka nataon' i Ishum izay sukkal miaraka aminy (andriamanitra mpanampy) mba hampitsahatra izany. Izy koa dia miseho amin' ny asasoratra maromaro hafa tsy dia voatahiry tsara.