Fampianaran' ny Vavolombelon' i Jehovah

Avy amin'i Wikipedia

Ny fampianaran' ny Vavolombelon' i Jehovah dia miorina indrindraindrindra amin' ny fahazoany ny Baiboly, izay inoany fa teny vokatry ny tsindrimandry na fanilovana avy amin' Andriamanitra. Izany fampianarana izany dia miseho ao amin' ireo lahatsoratra avoakany, izay avoakan' ny Watch Tower Society. Ny lahatsoratra mivoaka ara-potoana dia ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, nefa mamoaka boky, boky madinika, videô sns koa izy ireo. Ny ankabetsahan' ny zavatra inoany dia itoviany amin' ireo fikambanana kristiana fôndamentalista, fa misy kosa izay mampiavaka azy ireo manokana.

Ny Vavolombelon' i Jehovah sy ny fiangonana hafa[hanova | hanova ny fango]

Ny Vavolombelon' i Jehovah no tena fiangonana[hanova | hanova ny fango]

Ny Vavolombelon' i Jehovah dia fikambanana kristiana mino ny fitondran’ ny Mesia mandritra ny arivo taona (milenarisma) sy mamerina amin' ny laoniny ny tena fivavahana kristiana marina nisy tany amin’ ny taonjato voalohany (restaorasiônisma) izay heveriny fa nisy fomba fitondrana tonga lafatra.

Babylona lehibe ny fiangonana hafa[hanova | hanova ny fango]

Ny fiangonana kristiana hafa rehetra dia lazain’ ny Vavolombelon’ i Jehovah fa sandoka na kristiana anarany avokoa sady tsy iza fa ilay “Babylona Lehibe” na ilay “vehivavy janga” voalaza ao amin’ ny Bokin' ny Apôkalipsy toko faha-17, ka tsy mitovy aminy izay “zanak’ ilay Fanjakana” sady ilay hany fiangonana marina. Tsy eken’ ny Vavolombelon’ i Jehovah ny mifangaroharo amin’ ny fiangonana hafa satria tokana fa tsy maro ny marina, hoy izy ireo. Tsy mety aminy ny ekiomenisma satria isan’ izao tontolo izao ireo fiangonana mikambana ao aminy.

I Jehovah sy ny manodidina azy[hanova | hanova ny fango]

I Jehovah no anaran' Andriamanitra[hanova | hanova ny fango]

I Jehovah no anaran’ Andriamanitra. Toriny sy ampahafantariny ny olona rehetra io anarana io. Ny zavatra hafa rehetra dia noforonin’ i Jesoa (na Jesosy) avokoa. Ny fanahy masina kosa dia herin’ Andriamanitra. Tsy mitambatra ho Trinite ny Ray sy ny Zanaka (Jesosy) ary ny fanahy masina.

Tsy Andriamanitra i Jesosy[hanova | hanova ny fango]

Amin’ ny Vavolombelon’ i Jehovah dia noforonin' Andriamanitra mivantana sady voalohany i Jesosy, zanak’ Andriamanitra izy fa tsy Andriamanitra, sady ambany noho Andriamanitra. Ny zavatra hafa rehetra dia noforonin’ i Jesosy avokoa. Ny hazo nijalian’ i Jesosy dia tsy hazo mitanambokovoko fa tsatokazo tokana. Ho an’ ny Vavolombelon’ i Jehovah, i Jesosy dia tsy iza fa ny anjely Mikaela. I Abadona na i Apoliona koa dia tsy iza fa i Jesosy ihany. Mpanalalana ny olombelona amin’ Andriamanitra i Jesosy. Eken’ ny Vavolombelon’ i Jehovah fa amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy no amonjen’ Andriamanitra ny olony. Tsy hita maso ny fiverenana na ny fanatrehan' i Jesosy Kristy.

Herin' Andriamanitra ny fanahy masina[hanova | hanova ny fango]

Ny fanahy masina kosa dia herin’ Andriamanitra.

I Satana[hanova | hanova ny fango]

Tany amboalohany, i Satana dia anjely noforonina tonga lafatra nefa niala an’ Andriamanitra. Izy no nanome sain-dratsy an’ i Adama sy Eva mba tsy hanaja an’ i Jehovah. Nanjary demonia ny anjely izay nanaraka an’ i Satana ka niteraka ny fahorian’ ny olombelona. Noho izany, amin' ny Vavolombelon' i Jehovah, ny fitondran’ olombelona dia eo ambany fibaikoan’ i Satana.

Eskatôkôjia[hanova | hanova ny fango]

Ny Fanjakan' Andriamanitra[hanova | hanova ny fango]

Amin’ ny Vavolombelon’ i Jehovah, ny Fanjakan' Andriamanitra dia fanjakana ara-bakiteny any an-danitra izay anjakan’ i Kristy sy ireo olona 144 000 avy aty an-tany “voahosotry ny fanahy”. Fahatanterahan’ ny zavatra nokendren’ Andriamanitra tany am-piandohana izany Fanjakana izany, dia ny hanao tany tsy misy na fahafatesana na aretina. Nanomboka tamin’ ny Ôktôbra 1914 izany Fanjakana izany. Tsy mamporisika ny olona hitady vahaolana amin’ ny mpitondra na amin’ ny manam-pahaizana olombelona ny Vavolombelon’ i Jehovah satria ny Fanjakan’ Andriamanitra ihany no hamaha ny olana mahazo ny olona.

Ny Andro farany[hanova | hanova ny fango]

Araka ny finoan’ ny Vavolombelon’ i Jehovah, izao tontolo izao dia niditra tao amin’ ny Andro farany nanomboka tamin’ ny taona 1914 sady efa miandry ny fandravana izay ho tonga tsy ho ela. Naidina avy tany an-danitra i Satana miaraka amin’ ny loza ho an’ ny olombelona rehetra. Ny fiangonana kristiana hafa rehetra dia ho ravàn’ ny Firenena Mikambana ary ny Vavolombelon’ i Jehovah dia henjehin’ i Satana. Izany no hanombohan’ ny fidiran’ Andriamanitra an-tsehatra ka hanombohan’ ny ady ao Hara-magedona handravana ny fitondran’ olombelona rehetra. Ny Fanjakan' Andriamanitra any an-danitra dia hiitatra ka hahazo ny tany izay hiova ho paradisa mitovy amin’ ny Saha Edena. Hifoha tsirairay ireo izay maty talohan’ ny Hara-magedona hiatrika ny “andron’ ny fitsarana” izay haharitra arivo taona. Ny asany aorian’ ny fitsanganany amin’ ny maty no hitsarana azy fa tsy ny nataony talohan’ ny nahafatesany. Rehefa tapitra ny arivo taona dia haverin’ i Kristy eo amin’ Andriamanitra ny fahefana. Hozahana toetra ny olona ka noho izany dia hovahan’ Andriamanitra i Satana mba hanao asa famitahana. Ireo izay tsy maharitra ny fizahan-toetra dia haringan’ Andriamanitra miaraka amin’ i Satana sy ny demonia rehetra. Olombelona madio sy voazaha toetra no ho sisa hiaina ety ambonin’ ny tany.

Notoheriny ny finoan' ny ankamaroan' ny Kristiana toy ny amin' ny tsy fahafatesan' ny fanahin' olombelona, ny afobe, ny fiverenan' i Jesosy Kristy indray ho nofo. Aminy dia tsy misy ny afobe, mety maty ny fanahin' olombelona ary hiverina ety an-tany i Jesosy Kristy nefa tsy ho hita maso.

Ny fiainana aorian' ny fahafatesana[hanova | hanova ny fango]

Amin’ ny Vavolombelon’ i Jehovah, ny fahafatesana dia tsy fisiana sady tsy fahatsiarovan-tena. Ny Fiainan-tsi-hita, sy ny Hadesy ary ny Sheola dia manondro fotsiny izany toetry ny maty izany. Ny fanahin’ olombelona dia tsy inona fa ny ainy ihany, izay mety maty. "Ondry vitsy" miisa 144 000 ihany no hampakarina any an-danitra fa ny maro amin’ ny mpino Vavolombelon' i Jehovah dia hatsangana amin’ ny maty ka handova tany voadio aorian’ ny Hara-magedona sady ho velona mandrakizay. Ny olona isan’ ny Vavolombelon’ i Jehovah ihany no hahazo an’ izany.

Ireo ondry vitsy miisa 144 000[hanova | hanova ny fango]

Nanomboka tamin’ ny taona 1932 no nampianarana fa “ondry vitsy” miisa 144 000 ihany no hiaina ao an-danitra. Ny mpino hafa rehetra ao amin’ ny fikambanana dia hiaina mandrakizay ao amin’ nyparadisa izay hataon’ Andriamanitra eto an-tany.

Ny fampianarana ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]

Fandraisana ara-bakiteny ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]

Maro ny andalan-tsoratra izay raisin' ny Vavolombelon’ i Jehovah ara-bakiteny. Ohatra amin’ izany ny amin' ny isa 144 000.

Mifanaraka amin' ny Siansa sy ny Tantara ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]

Misy mifanaraka tanteraka amin’ ny fahamarinana ara-tsiansa sy ara-tantara, hoy ny Vavolombelon’ i Jehovah, ny voalazan’ ny Baiboly (kônkôrdisma).

Ny fizaràna roa ao amin'ny Baiboly[hanova | hanova ny fango]

Amin’ ny Vavolombelon’ i Jehovah dia mitovy lanja amin’ ny Soratra Hebreo sy Aramianina (Testamenta Taloha) ny Soratra Grika Kristianina (Testamenta Vaovao) nefa misy zavatra andidian’ Andriamanitra ao amin’ ny Soratra Hebreo sy Aramianina izay lazainy fa niara-nifarana tamin’ ny Lalàn' i Mosesy, ohatra ny fanajana ny andro Sabata.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

  • Ireo faminaniana tsy tanteraka