Valan-javaboarim-pirenena Namoroka

Ny Valanjavaboarim-pirenena ao Namoroka na fantatra koa amin'ny hoe Valanjavaboarin'ny Tsingin'i Namoroka, dia valanjavaboary malagasy ao amin'ny tapany avaratra-andrefan'i Madagasikara, ao amin'ny Distrikan'i Soalala, Faritanin'i Mahajanga. Manana velaran-tany mirefy 220,71 km2 ity valanjavaboary ity.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Ny taona 1927[1] no niorina ny Valanjavaboarim-pirenena ao Namoroka ary nanjary lasa tahirin-javaboary manokana (réserve spéciale) izy nanomboka tamin'ny taona 1966.
Jeôgrafia
[hanova | hanova ny fango]Sahabo ho 50 km atsimon'i Soalala, any amin' ny ilany avaratra-andrefan'i Madagasikara, no ahitana ny Valanjavaboarim-pirenena ao Namoroka. Maharitra fito volana ny vanintaona main-tany any, ary dimy volana kosa ny vanintaona fahavaratra. Ny refin-drotsak' orana dia eo amin' ny 115 sm isan-taona, ary ny maripana kosa dia manodidina ny 25 °C. Ny tsingy, ny zohy, ny lohasaha tery ary ny dobo voajanahary no tena mampalaza an'io valanjavaboary io.
Karazam-biby
[hanova | hanova ny fango]Toy ny ankamaroan'ny valanjavaboary eto Madagasikara, ny Valanjavaboarim-pirenena ao Namoroka dia fantatra amin'ny fisian'ny karazan-javamananaina sy ny habetsahan'izany ao aminy. Amin'ny karazam-borona 81 misy ao dia 31 no tsy fahita firy afa-tsy eto Madagasikara ary karazana hafa 23 no tsy fahita firy afa-tsy eto Madagasikara sy any amin'ny nosy manodidina azy.
Toerana ahitana karazana biby 30 izay mandady na mikisaka, karazana sahona 5, karazana biby mampinono 16 ary karazana amboanala 8 ihany koa ny Valanjavaboarim-pirenena ao Namoroka. I Namoroka manokana dia fonenan'ireto karazana amboanala ireto:
- Propithecus deckenii
- Eulemur rufus
- Hapalemur griseus
- Phaner furcifer
- Microcebus murinus
- Lepilemur edwardsi
- Cheirogaleus minusculus
- Haihay
Fanamarihana hafa
[hanova | hanova ny fango]Namoroka no anarana nosafidian'ny Mozilla Firefox ho an'ny dika faha 3.6.[2] an'io rindrankajy io.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Valan-javaboary
- Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia • Valan-javaboarim-pirenena Andohahela • Valan-javaboarim-pirenena Andringitra • Valan-javaboarim-pirenena Ankarafantsika • Valan-javaboarim-pirenen' ny Helodranon' i Baly • Valan-javaboarim-pirenena Isalo • Valan-javaboarim-pirenena Kirindy Mitea • Valan-javaboarim-pirenena Mananara-Avaratra • Valan-javaboarim-pirenena Marojejy • Valan-javaboarim-pirenena Masoala • Valan-javaboarim-pirenena Midongy Atsimo • Valan-javaboarim-pirenen' ny Tendrombohitra Ambre • Valan-javaboarim-pirenena Namoroka • Valan-javaboarim-pirenena Nosy Ve-Androka • Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana • Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa • Valan-javaboarim-pirenena Zahamena • Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia
Rohy
[hanova | hanova ny fango]- ↑ The Tsingy de Namoroka National Park Sitesheet Archived Aprily 11, 2009 at the Wayback Machine. World Database on Protected Areas.
- ↑ "Firefox 3.6 Namoroka". Mozilla. April 3rd, 2009. Retrieved on 2009-04-04.
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- World Database on Protected Areas entry Archived Aprily 11, 2009 at the Wayback Machine
- Wild Madagascar's entry on Namoroka
![]() |
I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Namoroka National Park |