Valan-javaboarim-pirenen' i Marojejy

Ny Valan-javaboarim-pirenen' i Marojejy dia valan-javaboary ao amin' ny Faritra Sava ao amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i Madagasikara[1].
Ny mombamomba azy
[hanova | hanova ny fango]Mirefy 55 500 ha ny velarany ary eo amin' ny Tangoron-tendrombohitra Marojejy, tandavan-tendrombohitra manana tampona avo indrindra mirefy 2 132 m. Ny renirano lava sy l'exhibe Androranga no mamatsy rano ny tehezan-kavoana avaratra, raha ny ny renirano Lokoho kosa ny tehezan-kavoana atsimo. Nitoetra ho an' ny mpikaroka sy ny mpahay siansa hatry ny ela ny fahafahana miditra amin' izany toerana izany rehefa nitazona ny sata maha tahirin-javaboary manontolo azy izy hatramin' ny namoronana azy tamin' ny taona 1952. Tamin' ny taona 1998 dia nosokafana ho an' ny besinimaro ny sata vaovao nanao azy ho valan-javaboarim-pirenena ary nahazo ny lazany izy tamin' ny taona 2007[2] rehefa tafiditra tao amin' ny lisitry ny Lova Maneran-Tany, toy ny faritra arovana dimy hafa, mivondrona amin' ny anarana hoe "ala mando ny Atsinanana". Na dia eo aza ny fikitoantoan' ny vohon-tany ao aminy, ny fihazana tsy ara-dalàna sy ny fitrandrahana hazo voafantina sy voarara dia mbola olana hatrany, indrindra hatramin' ny nanombohan' ny Krizy pôlitika teto Madagasikara tamin' ny 2009. Mandrahona ity valan-javaboary ity sy ny zavamananaina ao aminy ny Ny fitrandrahana harena an-kibon-tany sy ny fambolena ary ny doro ala sy ny fitrandrahana hazo dia anisany olana goavana ao amin'ny valanjavaboariny Marojejy.
Toerana
[hanova | hanova ny fango]Ny valanjavaboarim-pireneny Marojejy dia hita ao amin'ny faritra avaratra andrefanan'ny Madagasikara ao amin'ny faritra SAVA eo anelanelany tanànàn'ny Andapa sy Sambava. Any ambin'ny 66km miala n'y tanànan'ny Sambava[3].

Ny tendrombohitra mideza sy ny vohon-tany manokana izay mampiavaka an' ilay tangoron-tendrombohitra dia namoronana toeram-ponenana maro samihafa ho an'ny zavamananaina ao aminy, izay mifandimby eny amin' ny tehezan-tendrombohitra arakaraka ny ahavony na ny fitodihany ara-jeôgrafia. Eny amin'ny tampona tokoa mantsy, ny alan-drahona arafitry ny kirihitra sy hazo madinika, izay farany eto Madagasikara, dia manome toerana ny hazo lehibe izay miha tsy voarakotry ny zavamaniry mipetraka amin' ny namany, rehefa midina ny toerana. Fanampin' izany dia mando kokoa ny ny tehezan-tendrombohitra atsinanana ka noho izany dia misy vondron-javamaniry midadasika kokoa, fa ny tehezan-tendrombohitra andrefana kosa dia maina kokoa. Ny fisian' ny toeram-ponenam-biby sy ny toeram-panirian-javamaniry samihafa mahagaga aterak' izany dia ahafahana mahita karazam-borona tsy latsaky ny 118[4], karazam-biby mandady sy mikisaka ary sahona sy ny mitovitovy aminy mihisa 148 ary karazana amboanala 11. Anisan' ny karazana primata 25 tandinindo-doza indrindra eran-tany ao amin' ny lisitry ny IUCN ny sifaka Propithecus candidus, izay amboanala mampiavaka an' io valan-javaboary io. Ny Euryceros prevostii no vorona famantarana ao amin' ilay valan-javaboary, tsy misy afa-tsy any amin' ny ala avaratra atsinanana amin' i Madagasikara.
Lalana
[hanova | hanova ny fango]
Lalana tokana miainga avy eo amin' ny fidirana mankao amin' ilay valan-javaboary no ahafahana mankany amin' ny toerana avo indrindra amin' ilay tangoron-tendrombohitra, lalana ahitana toby telo: ny Toby Mantella any amin' ny 450 m ambonin' ny ranomasina, voahodidin' ny hazo avo; ny Toby Marojejia any amin' ny 775 m, tetezamita eo amin' ny ala an-tany iva sy ny ala an-tendrombohitra; ary ny Toby Simpona, eo amin' ny 1 250 m hodidinin' ny alan-tendrombohitra avo. Ny Toby Simpona no ampiasaina ho toby fototra alohan' ny hiakarana eny amin'ny tampon-tendrombohitra, amin'ny lalana mirefy 2 km, aleha mandritra ny adiny efatra na dimy.[5]
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Valan-javaboary
- Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia • Valan-javaboarim-pirenena Andohahela • Valan-javaboarim-pirenena Andringitra • Valan-javaboarim-pirenena Ankarafantsika • Valan-javaboarim-pirenen' ny Helodranon' i Baly • Valan-javaboarim-pirenena Isalo • Valan-javaboarim-pirenena Kirindy Mitea • Valan-javaboarim-pirenena Mananara-Avaratra • Valan-javaboarim-pirenen' i Marojejy • Valan-javaboarim-pirenena Masoala • Valan-javaboarim-pirenena Midongy Atsimo • Valan-javaboarim-pirenen' ny Tendrombohitra Ambre • Valan-javaboarim-pirenena Namoroka • Valan-javaboarim-pirenena Nosy Ve-Androka • Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana • Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa • Valan-javaboarim-pirenena Zahamena • Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia
Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Madagascar tourism. Novangiana tamin'ny 2026-05-15
- ↑ https://www.fapbm.org/aire_protegee/aire-protegee-kirindy-mite/
- ↑ https://www.jacaranda.fr/en/parc-national-de-marojejy
- ↑ https://www.jacaranda.fr/en/parc-national-de-marojejy
- ↑ https://protectedareas.mg/fr/landscape/show/68?geoShapeFilterField=location&location=49.5383095955881%2C-14.6144927382944%2C49.8817951059813%2C-14.6144927382944%2C49.8817951059813%2C-14.2965476316213%2C49.5383095955881%2C-14.2965476316213%2C49.5383095955881%2C-14.6144927382944&max=8&mediaFilter=no_of_images%2Cno_of_videos%2Cno_of_audio&offset=0&sort=created_on&view=stats