Valan-javaboarim-pirenen' i Mananara-Avaratra

Ny Valan-javaboarim-pirenen' i Mananara Avaratra dia iray amin’ireo valan-javaboary nasionaly ao amin’ny morontsiraka avaratra atsinanan’i Madagasikara ,ao amin’ny distrikan’i Mananara,ao anatin’ny Faritra Analanjirofo izy.aaaa|Analanjirofo]], no misy azy[1].
Indreto ny karazan-javamananaina miavaka sasany hita ao: ny Dypsis antanambensis, hazo rofia tsy fahita firy; ny Voanioala gerardii, voanio tsy fahita firy; ny Allocebus trichotis (Tsidy ala) gidro tsy hita afa-tsy ao Mananara.
Jeôgrafia
[hanova | hanova ny fango]Ny Valan-javaboarin’i Mananara Avaratra dia valan-javaboary nasionaly ao amin’ny faritra avaratra atsinanan’i Madagasikara, ao amin’ny Faritra Analanjirofo, manodidina ny tanànan’i Mananara Avaratra. Voafaritry ny ony Mananara eo avaratra, ny renirano Sandrakatsy sy Fotsialanana eo andrefana, ny renirano Anovy eo atsimo, ary ny Ranomasimbe Indianina eo atsinanana . Ny tanàna lehibe akaiky indrindra amin’ity valan-javaboary ity dia Toamasina [2], izay ahitana elanelana manodidina ny 280 kilometatra[3].
Ny Valan-javaboarin'i Mananara Avaratra dia mizara roa lehibe, dia ny iray valan-javaboary an-tanety mirefy 22 000 hektara ary ny iray kosa valan-javaboary an-dranomasina mirefy 1000 hektara[4].
Tafiditra ao anatiny koa ny valan-javaboary an-dranomasina mirefy 1000 ha akaikin' ny tanàna Sahasoa, misy nosy telo, 3,5 km miala an' i Sahasoa: ny Nosy Antafana sy ny Nosy Hely ary ny Nosy Rangontsy. Ao Nosy Antafana dia misy toeram-pilasiana eo akaiky loharano[5].
Ny biby sy ny zavamaniry
[hanova | hanova ny fango]Ny Valan-javaboarim-pirenenan' i Mananara Avaratra dia misy biby sy zavamaniry maro samihafa ao anatiny,ka ireto avy izy zany:
ny varika
[hanova | hanova ny fango]Ny varika dia misy karazany 13 ao: karazana 1 tsy fahita afa-tsy ao an-toerana ihany, tena tandindonin-doza mafy n'y ( Lepilemur; karazana biby 3 hafa koa tena tandindonin-doza mafy (ohatra: Indri indri , Propary Var); karazana biby 3 hafa indray tandindonin-doza (ohatra : ny aye-aye, lemora alina) ary karazana 4 Marefo[2].
Vorona
[hanova | hanova ny fango]Misy karazany 88 ny vorona, ka ny karazana 4 tandindonin-doza amin'izany(ohatra: ny grèbe malagasy), ary karazana 5 no marefo (ohatra: la glaréole malagasy).
Biby mandady
[hanova | hanova ny fango]Misy biby mandady 13 ao anatiny Valan-javaboary mananara avaratra.
Biby anaty rano sy an-tanety (Amphibiens)
[hanova | hanova ny fango]Misy karazany 24 ny afaka mivelono anaty rano sy an-tanety ka ny karazana 1 no tandindonin-doza.
Biby mpihinam-biby
[hanova | hanova ny fango]Ny biby mpihinam-biby dia misy karazany fito (7); ka ny karazana dimy (5) ao no efa marefo (ohatra : ny fosa sy ny civette malagasy).
Ramanavy (chauves-souris)
[hanova | hanova ny fango]Ny ramanavy dia misy karazany 3: ny karazana (iray)1 amin'ireo dia efa marefo (ohatra : ny renard volantan'i Madagasikara)
Biby mampinono hafa
[hanova | hanova ny fango]Misy karazany 13 ny biby mapinono ao anatiny Valan-javaboarim-pirenen' i Mananara Avaratra
Zavamaniry
[hanova | hanova ny fango]Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Valan-javaboary
- Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia • Valan-javaboarim-pirenena Andohahela • Valan-javaboarim-pirenena Andringitra • Valan-javaboarim-pirenena Ankarafantsika • Valan-javaboarim-pirenen' ny Helodranon' i Baly • Valan-javaboarim-pirenena Isalo • Valan-javaboarim-pirenena Kirindy Mitea • Valan-javaboarim-pirenen' i Mananara-Avaratra • Valan-javaboarim-pirenena Marojejy • Valan-javaboarim-pirenena Masoala • Valan-javaboarim-pirenena Midongy Atsimo • Valan-javaboarim-pirenen' ny Tendrombohitra Ambre • Valan-javaboarim-pirenena Namoroka • Valan-javaboarim-pirenena Nosy Ve-Androka • Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana • Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa • Valan-javaboarim-pirenena Zahamena • Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia
Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Hitsidika valan-javaboary. Novangiana tamin'ny 2026-05-08
- 1 2 Le parc national de manaraka nord. Novangiana tamin'ny 2026-05-08
- ↑ Madaonsort. Novangiana tamin'ny 2026-05-08
- ↑ aire_protegee le-parc-national-de-mananara-nord/. Novangiana tamin'ny 2026-05-09
- ↑ aire_protegee le-parc-national-de-mananara-nord/. Novangiana tamin'ny 2026-05-09