Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa

Ny Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa na Tahirin-javaboarin' i Tsimanampetsotsa dia valan-javaboary mirefy 432 km2, noforonina tamin' ny taona 2002, manodidina ny farihy tokana misy sira eto amin' ny firenena, dia ny farihy masiran' i Tsimanampetsotsa, any amin' ny morontsiraka atsimo-andrefan' i Madagasikara ao amin' ny Faritra Atsimo-Andrefana, ao amin' ny Faritanin' i Toliara. 90 km atsimon' i Toliara ary 950 km any atsimon' Antananarivo no misy ity valan-javaboary ity. Mandalo an' ilay valan-javaboary ny lalam-pirenena faha-10 (RN10) mankany Faux Cap (na Betanty) ary ao Toliara no misy ny seranam-piaramanidina akaiky indrindra[1].

Tsy hita any amin' ny toeran-kafany 75 ka hatramin' ny 90 % amin' ny biby sy ny zavamaniry ao aminy. Ny Valan-javaboarin' i Tsimanampetsotsa dia anisan' ny faritra Ramsar voalohany eto Madagasikara.
Tsimanampehitsotra dia ahitana lava-bato lehibe afaka idirana.
Toerana misy azy sy ny fidirana any
[hanova | hanova ny fango]Ny Valan-javaboahary Tsimanampetsotsa dia hita eo amin’ny 90 km eo ho eo any atsimon’ny tanànan’i Toliara (any atsimo andrefan’i Madagasikara)[2]. Ity faritra arovana ity dia 60 km any atsimon’i Anakao, toerana amoron-dranomasina malaza sy tian’ny mpizahatany maro. Toliara, izay tanàna akaiky indrindra amin’ilay valan-javaboahary, dia azo aleha amin’ny alalan’ny sidina avy amin’ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Air Madagascar. Misy làlana roa azo aleha avy any Toliara ho any amin’ilay valanjavaboahary : ny làlana an-tanety sy ny làlana an-dranomasina[3].
Lalana an-tanety
[hanova | hanova ny fango]Voalohany, dia mandalo amin’ny làlam-pirenena faha-7 (RN7) ka miakatra hatrany amin’ny kaominina Andranovory. Avy eo, dia manaraka ny làlam-pirenena faha-10 (RN10) mankany Betioky. Raha mitohy midina any atsimo, dia ho tonga amin’ny fifanjevoan-dalana ao Befaha, izay ahitana tabilao famantarana milaza fa 102 km sisa no dia ho any amin’ilay valanjavaboahary. Raha tonga eo amin’ny fifanjevoana, dia mivily miankavanana, ka manohy ny dia mandra-pahatonga any Beheloke. Ity làlana ity dia manolotra zava-mahasarika maro ho an’ny mpitsidika, toy ny baobaba, gidro, ary vorona[4]. Avy any Beheloke, dia manohy midina mankany atsimo hatrany amin’ny tanànan’i Efoetse, izay misy ny biraon’ny fandraisana mpitsidika ao amin’ilay valanjavaboahary[5].
Lalana an-dranomasina
[hanova | hanova ny fango]Io no fomba haingana indrindra hahatongavana eny an-toerana. Misy sambo vetivety mandeha isan’andro avy any Toliara mankany Anakao. Rehefa tonga any Anakao, dia mandray lalan-tany fasika mandritra ny 1 ora sy sasany eo ho eo, ka ho tonga any Efoetse, toerana misy ny fidirana ao amin’ny valan-javaboahary[5].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]
Faritra RAMSAR eto Madagasikara
Valan-javaboary
- Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia • Valan-javaboarim-pirenena Andohahela • Valan-javaboarim-pirenena Andringitra • Valan-javaboarim-pirenena Ankarafantsika • Valan-javaboarim-pirenen' ny Helodranon' i Baly • Valan-javaboarim-pirenena Isalo • Valan-javaboarim-pirenena Kirindy Mitea • Valan-javaboarim-pirenena Mananara-Avaratra • Valan-javaboarim-pirenena Marojejy • Valan-javaboarim-pirenena Masoala • Valan-javaboarim-pirenena Midongy Atsimo • Valan-javaboarim-pirenen' ny Tendrombohitra Ambre • Valan-javaboarim-pirenena Namoroka • Valan-javaboarim-pirenena Nosy Ve-Androka • Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana • Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa • Valan-javaboarim-pirenena Zahamena • Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia
Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ https://www.fapbm.org/aire_protegee/le-parc-national-de-tsimanampetsotsa/
- ↑ https://lalandaka.com/parc-national
- ↑ https://madagascar-tourisme.com/fr/la-destination/le-sud-ouest/tsimanampetsotsa/
- ↑ https://www.grandeslatitudes.voyage/le-lac-sacre-de-tsimanampetsotse-le-nid-des-flamants-roses/
- 1 2 https://www.grandeslatitudes.voyage/le-lac-sacre-de-tsimanampetsotse-le-nid-des-flamants-roses/