Hankany amin'ny vontoatiny

Valan-javaboarim-pirenena Andohahela

Avy amin'i Wikipedia
Ala ao amin' ny Valan-javaboarin' Andohahela

Ny Valan-javaboarim-pirenana Andohahela dia valan-javaboary ao amin' ny Faritra Anosy, any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara.

Ny mombamomba azy

[hanova | hanova ny fango]

Mahavariana ny ao noho ny toeram-ponenan' ny biby hita ao anatiny. Ity valan-javaboary ity dia manana velarana 76 140 ha ao amin' ny tandavan-tendrombohitra Anosy, izay faritra atsimo indrindra amin' ny tany avo afovoan' Madagasikara ary ahitana ala mando farany any amin' ny faritra atsimo amin' i Madagasikara.[1][2]

Voasoratra ao amin' ny Lova Iraisam-Pirenena ilay valan-javaboary tamin' ny taona 2007 amin' ny maha anisan' ny ala trôpikaly any Atsinanana azy. Ity valan-javaboary ity dia azo idirana amin' ny lalam-paritany tsy vita tara RIP118 avy ao Soanierana.

Tantarany

[hanova | hanova ny fango]

Faritra arovana nanomboka tamin' ny taona 1939 i Andohahela saingy tsy lasa valan-javaboarim-pirenena raha tsy tamin' ny taona 1998.[3]

Zavamana'aina

[hanova | hanova ny fango]

Hita taratra amin' ny karazam-biby maro hita ao ny karazan-toera-ponenana ao Andohahela, ary io valan-javaboary io no toerana ahitana karazana gidro betsaka indrindra eto Madagasikara. Karazana 15 no voarakitra an-tsoratra, anisan' izany ny roa amin' ny karazana mampalaza indrindra an' i Madagasikara, dia ny hira (Lemur catta) sy ny sifa-bilany (Propithecus verreauxi). Anisan' ny hita ao amin' ilay valan-javaboary ny karazana biby mandady na mikisaka 67 tsy fahita firy ny karazana katsatsaka sy sokatra ary bibilava, ao koa ny karazana vorona 130 sy karazana sahona dimampolo tsy fahita firy. Hita ao koa ny karazana rofia menavozona (Dypsis decaryi) dia tsy hita afa-tsy ao.[4]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Valan-javaboary