Hankany amin'ny vontoatiny

Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana

Avy amin'i Wikipedia

Ny Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana dia valan-javaboary ao amin' ny tapany atsimon' i Madagasikara, ao amin' ny Faritra Matsiatra Ambony sy ny Faritra Vatovavy.

Ny mombamomba azy

[hanova | hanova ny fango]

Any amin'ny faritra atsimo atsinanan'i.Madagasikara, any amin'ny 412 km miala an'Antananarivo ni misy azy.[1]Natsangana ho valan-javaboarim-pirenena fahefatra eto Madagasikara izy io tamin' ny taona 1991[2] taorian' ny nahitan' ny dokotera Patricia Wright, manam-pahaizana momba ny primata indray, ny varibolo (Hapalemur simus) sy ny varibolomena (Hapalemur aureus).

Zavaboary

[hanova | hanova ny fango]
Sahona Boophis reticulatus

Misy ala trôpikaly maherin' ny 41 600 hektara ilay valan-javaboary izay manana ahavo eo anelanelan' ny 800 sy 1 200 m ambonin' ny ranomasina, ary fonenan' ny karazana zavamaniry sy biby maro tsy fahita firy. Mahatratra 25 ny renirano mikoriana ao, ny tena fantatra dia ny renirano " Namorona". Taty aoriana dia nampidirina tao amin' ny Lova Iraisam-pirenena mombany Ala Mando any Atsinanana ao amin' ny UNESCO io valan-javaboarim-pirenena io. Mifanakaiky amin' ilay valan-javaboary ny tobim-pikarohana Center ValBio, ary noforonin' ny Stony Brook University tamin' ny taona 2003 ho an' ny fikarohana momba ny zavamananaina, ny fahasalaman' ny fiarahamonina sy ny fanabeazana, ny zavakanto momba ny tontolo iainana ary ny fambolen-kazo.

Avy amin' ny teny malagasy hoe "rano mafana" ny anaran' ilay valan-javaboary noho ny loharano mafana ao amin' ny tanànan' i Ranomafana

Harena voajanahary

[hanova | hanova ny fango]

N'y faritra arovana dia fonenan'ireo karazam-biby sy zavamaniry tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara sady tena maro karazana:Ny Gidro (Lémuriens): Tsy latsaky ny 12 karazana no miara-monina ao, anisan'izany ilay Bokombolo volamena Hapalemur aureus izay tena mahalana, sy ilay Bokombolo lehibe. Atahorana mafy ho lany tamingana izy roa ireo.Biby isan-karazany : Ahitana karazam-borona an'ala tena tsy fahita firy toy ny Firasambalala, tanalahy, ramanavy ary karazana sahona [3]maro be tsy misy afa-tsy eto amintsika.Zavamaniry mijoalajoala : Ny ala mikitroka dia feno orkide orchidées dia, zavamaniry mihinana bibikely plantes carnivores , ampanga hazo, ary hazo sarobidy toy ny andramena Dalbergia .

  • Ala mikitroka mando maitso mandavan-taona eny amin’ny faritra iva sy antonony
  • Ala volotsangana, ala be hamandoana, heniheny ary faritra mando
  • Lohasaha lalina, riandrano, renirano (Namorona, Faraony, Manananonoka)
  • Tany be havoana sy tendrombohitra, ahitana zavamaniry voajanahary tany am-boalohany sy efa niova tatỳ aoriana

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Tahirin-javaboary