Hankany amin'ny vontoatiny

Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia

Avy amin'i Wikipedia

Ny Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia dia valan-javaboarim-pirenena ao amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Madagasikara, 10 km atsinanan' i Sakaraha, 147 km avaratra-atsinanan' i Toliara ao amin' ny Faritra Atsimo-Andrefana.

Ny mombamomba azy

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 1997 [1]no namoronana azy. Mirefy 36 308 ha izy io ary mizara telo: ny Alan' i Zombitse (16 845 ha) sy ny toerana misy an' Isoky Vohimena (3 293 ha) ary i Vohibasia (16 170 ha).

Tantanan’ ny Madagascar National Parks amin' izao fotoana izao ny Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia, ary ny ampahany amin' ny famatsiam-bola no omen' ny Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar (FAPBM).

Bernieria appperti

Ahitana karazana gidro valo,Ary 47 % amin' ny vorona tsy fahita raha tsy eto Madagasikara, anisan' izany ny karazana iray (Bernieria appperti), ity valan-javaboary ity.[2]

Ny mampiavaka azy

[hanova | hanova ny fango]

Ity valan-javaboary ity dia fantatra amin'ny maha "tetezana" azy eo amin'ny tontolo iainana maina any atsimo sy ny ala dity any andrefana. Mizara ho faritra telo lehibe ny faritra arovana, izay mirefy 36 308 hektara:ny Alan'i Zombitse: Mirefy 16 845 hektara.,Isoky Vohimena: Mirefy 3 293 hektara.,Vohibasia: Mirefy 16 170 hektara.[2]

Ny fiandohana sy ny fananganana (1962–1997)

[hanova | hanova ny fango]

Tamin'ny 1962, nofaritana ho “Tahirin-javaboary manokana” (Réserve Naturelle Intégrale) ny faritra voalohany[3]. Ny tanjona tamin'izany dia ny hiarovana ny ala maina izay sisa tavela tamin'ny fandripahana ala tany amin'ny faritra atsimo-andrefana. Tamin'ny 1997, natsangana ho Valan-javaboarim-pirenena amin'ny fomba ofisialy ny faritra. Io fiovan'ny sata io dia nahafahana nampiditra ny fizahan-tany ho fitaovana entina hampandroso ny faritra sy hiarovana ny zavaboary.

Ny tantaran'ny mponina sy ny fomba amam-panao

[hanova | hanova ny fango]

Ho an'ny foko Bara, ny ala ao Zombitse-Vohibasia dia toerana masina., toerana fialofana.Tany am-boalohany, ny ala dia toerana nialofan'ny omby sy ny olona nandritra ny ady foko na ny asan-dahalo.Ny anarana “Zombitse”: avy amin'ny teny hoe “zombitsy”, izay karazana hazo mafy hita ao an-toerana, ampiasaina amin'ny fanamboarana trano sy fombafomba. Betsaka ny “fady” ao anatin'ny ala, izay nanampy tamin'ny fiarovana azy ho hazo nandritra ny taonjato maro, talohan'ny nisian'ny lalàna ofisialy.Ny fivoarana dia nanomboka ny taona (1990 ka hatramin'izao), nisy ny fiaraha-miasa akaiky tamin'ny fikambanana iraisam-pirenena toa ny WWF, mba hampianarana ny mponina ny vokatra aterakin' ny “tavy” (nohony fandoroana ny ala). Tamin'io vanim-potoana io ihany,no nahitana fa ity ala ity no fonenan'ny Appert's Tetraka, vorona miavaka tsy hita any an-kafa maneran-tany. Izany no nampiakatra ny lazan'ny valan-javaboary eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.Ny olana atrehany ankehitriny, na eo aza ny ezaka fiarovana, mbola miatrika olana ara-tantara sy ara-tsosialy ny valan-javaboary:Fandripahana ala: Ny fanapahana ny aty ala avadika ho saribao sy ny fanitarana ny tany fambolena no loza mitatao lehibe indrindra.[4]Ny RN7: Ny fandalovan'ny lalam-pirenena eo afovoany dia sady tombony (ho an'ny fizahan-tany) no loza (fitomboan'ny tsindry ataon'ny olombelona).[2]

Ny harena voajanahary

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin’ny Zombitse-Vohibasia dia toerana tena manan-danja amin’ny fiarovana ny fahasamihafan’ny zavaboary:

  • Vorona: mihisa manodidina ny 47% eo karazam-borona hita ao.[3]
  • Gidro: Misy karazana gidro valo eto, toy ny Sifaka (Verreaux's sifaka) izay malaza.[1]
  • Zavamaniry: Ahitana karazana baobab (Adansonia za) sy orkide maro samihafa, izay manampy amin’ny hakanton’ny tontolo iainana.[2]

Toerana sy fomba fidirana

[hanova | hanova ny fango]
  • Toerana: 147 km any avaratra-atsinanan’i Toliara ary 10 km any atsinanan’i Sakaraha.[4]
  • Lalana: Misy ny Lalam-pirenena faha-7 (RN7) izay mandalo eo afovoan’ny valan-javaboary, ka mora ho an’ireo mpizahatany mandalo any an-toerana ny manatona azy.[2]
  1. https://parcs-madagascar.com/parc/zombitse-vohibasia/


Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Valan-javaboary