Hankany amin'ny vontoatiny

Valan-javaboarim-pirenena Kirindy Mitea

Avy amin'i Wikipedia
Reniala ao amin' ny alan' i Kirindy

Ny Valan-javaboarim-pirenena Kirindy Mitea dia valan-javaboarim-pirenen' i Madagasikara, tafiditra ao amin' ny Distrikan' i Morondava ary 90 kilometatra atsimon' ny tanànan' Morondava, eo anelanelan' ny renirano Maharivo sy Lampaolo, eo amoron' ny Lakandranon' i Môzambika.

Tantarany

[hanova | hanova ny fango]

Ny Valan-javaboarim-pirenena Kirindy Mitea, izay mirefy 72 200 ha, dia ivon-toeran' ny endemisma sy ny fahasamihafan' ny zava-mananaina eo an-toerana, mifandray amin' ny fisian' ny biôtôpy any amin' ny tapany atsimo sy andrefan' i Madagasikara.[1]

Manana zavatra mahasarika maro izy, noho ny fanambarany rafitra tontolo iainana maro, izay samy miavaka avokoa, ary samy manana ny karazam-biby sy karazan-java-maniry betsaka avy. Tamin' ny 18 Desambra 1997[2] no namoronana ilay valan-javaboary tamin' ny alalan' ny didim-panjakana laharana 97-1453 ary nankinina tamin' ny Association nationale pour la gestion des aires protégées (na ANGAP) ny fitanovambra azy tamin' ny Novambra 2000. Nohalebeazina io valan-javaboary io tamin'ny taona 2015 [3]ka mirefy 156 350 ha izy amin'izao.[2]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Valan-javaboary