Zaha

Avy amin'i Wikipedia
  
Zaha
Lalana misy zaha

Ny zaha na renala na bontona na baobaba dia hazo tsy misy afatsy eto Madagasikara sy any Aostralia ary ao Afrika. Misy karazany sivy izy maneran-tany, ny fito amin' ireo dia eto Madagasikara no misy azy ary enina amin' izay dia tsy misy afatsy eto ihany, no roa kosa dia miparitaka amin' ireo faritra hafa voalaza etsy ambony. Hazo makadiry ny zaha, izay mety hahatratra hatramin' ny 30 m ny haavony, misy koa anefa ireo izay somary fohifohy 4 m na 5 m. Mety ho velona mandritra ny 1 000 taona na maherin' izany aza izy raha tsy misy manimba. Mbola eo koa ireo voka-tsoa betsaka azo avy aminy, na fanafody izany na zavatra hafa. Na ny tahony, na ny raviny, na ny hodiny, ny voany, dia tsy misy very fa azo ampiasaina avokoa.

Ny karazany[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]