Valan-javaboarim-pirenena Nosy Ve-Androka
Ny Valan-javaboarim-pirenena Nosy Ve-Androka dia faritra arovana an-dranomasina any amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Madagasikara, any atsimon' i Toliara, ary 40 km atsimon' ny tanànan' i Anakao. Eo anelanan' ny 25°29 sy 25°09 Atsimo laharam-pehintaniny ary eo anelanan' ny 44°50 sy 45°06 Atsinanana ny laharan-jarahasiny, manana velaran-tany mirefy 92 080 ha izy. Ahitana faritra lehibe mirefy 28 820 ha sy faritra mpanelanelana 63 260 ha ny ao. Ahitana faritra kely valo mitsinjara amin' ny vondrona roa ity valan-javaboary ity, ary hita manamorona ny morontsiraka mifanila amin' ny Valan-javaboarim-pirenen' i Tsimanampetsotsa ny ampahany iray. Tafiditra ao anatin' izany ny ampahany misy tangoron-karan-dranomasina ao amin' ny taoany atsimo-andrefan' i Madagasikara ao amin' ny Lakandranon' i Môzambika, izay tangoron-karan-dranomasina fahatelo lehibe indrindra eran-tany. Ahitana karazana haran-dranomasina miisa 140 eo ho eo sy karazan-trondro 240 eo ho eo ny Valan-javaboarim-pirenen' i Nosy Ve-Androka. Misy karazana tsy fahita firy toy ny Coelacanthiformes, ny karazana sokatra an-dranomasina, ny lamboara sy ny feso ary ny trozona, ary tora-pasika ampiasain' ny fano manatody.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Valan-javaboary
- Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia • Valan-javaboarim-pirenena Andohahela • Valan-javaboarim-pirenena Andringitra • Valan-javaboarim-pirenena Ankarafantsika • Valan-javaboarim-pirenen' ny Helodranon' i Baly • Valan-javaboarim-pirenena Isalo • Valan-javaboarim-pirenena Kirindy Mitea • Valan-javaboarim-pirenena Mananara-Avaratra • Valan-javaboarim-pirenena Marojejy • Valan-javaboarim-pirenena Masoala • Valan-javaboarim-pirenena Midongy Atsimo • Valan-javaboarim-pirenen' ny Tendrombohitra Ambre • Valan-javaboarim-pirenena Namoroka • Valan-javaboarim-pirenena Nosy Ve-Androka • Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana • Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa • Valan-javaboarim-pirenena Zahamena • Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia