Aller au contenu

Valan-javaboarim-pirenena Zahamena

Avy amin'i Wikipedia
Polystichum setiferum

Ny Valan-javaboarim-pirenena Zahamena dia valan-javaboary eto Madagasikara, any amin' ny 50 km avaratr' i Toamasina, akaikin' ny Farihin' Alaotra, ao amin' ny Faritra Alaotra-Mangoro sy ny Faritra Analanjirofo. Niorina tamin' ny taona 1997 ity valan-javaboary ity, izay mirefy 423 km2 ao anatin' ny faritra arovana mirefy 643 km2.

Manambatra faritra arovana maro i Zahamena izay ahitana valan-javaboary sy tahirin-javaboary manontolo. I Zahamena dia ao anatin' ny Ala Atsinanana eto Madagasikara, anisan' ny voasokajy ho vakoka voajanahary maneran-tany. Eo anelanelan' ny 400 sy 1 600 m ambonin' ny ranomasina ny haavo misy azy.

Maherin’ny 64 370 ha ny velaran-tany arovana ao Zahamena, ka ny 42 300 ha amin' izany atokana ho valan-javaboarim-pirenena fa ny 22 100 ha sisa kosa ho tahirin-javaboary. Ampahany be amin' ilay valan-javaboarim-pirenena no ivon' ireo faritra arovana ireo. Tanjona amin' ny namoronana azy dia ny mba ho fiarovana ihany, koa noho izany dia tsy afaka miditra ao ny mpizaha tany. Tafiditra ao anatin' ny Lova Iraisam-pirenen' ny UNESCO izy io, Ala trôpikaly Atsinanana, voasoratra tamin' ny taona 2007 ary ahitana faritra 13 voafaritra manokana ao anatin' ny valan-javaboarim-pirenena valo any amin' ny ilany atsinanan' i Madagasikara. Tamin' ny taona 2001 dia nanombana karazana vorona miisa 112 ny Bird Life International, ka tsy fahita firy afa-tsy eto Madagasikara ny 67 amin' ireo.

Ity valan-javaboary ity dia toeram-ponenan' ny karazam-borona 112, karazana biby mandady na mlikisaka 46, karazana amphibiana (sahona sns) 62 ary karazana biby mampinono 48, anisan' izany ny karazana maky sy varika 13. Ny foko betsimisaraka sy sihanaka no maro anisa any an-toerana.

Katsatsaka Paroedura masobe,

Ny karazam-biby malaza indrindra ao amin' ilay valan-javaboary dia: ny babakoto (Indri indri), ny varika mainty misy pentina fotsy; ny vorondolomena (Tyto soumagnei); ny katsatsaka Paroedura masobe, ny katsatsaka kely; ny karazana voromahery Eutriorchis astur, izay atahorana ho lany tamingana; ary ny niotônia mena (Newtonia fanovanae), izay karazam-borona fantatra indrindra ao amin' ilay valan-javaboary. Ny karazam-boninkazo roa misongadina indrindra dia ny kobila (Marattia boivinii) sy ny fanjana malemy (Blotella coursii).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Valan-javaboary