Valan-javaboarim-pirenen' i Mananara-Avaratra
Ny Valan-javaboarim-pirenen' i Mananara Avaratra dia valan-javaboary any akaikin' i Mananara Avaratra ao amin' ny Faritra Analanjirofo eto Madagasikara. Ity valan-javaboary ity dia voafaritry ny ony Mananara eo avaratra, ny renirano Sandrakatsy sy Fotsialanana eo andrefana, ny renirano Anove any atsimo ary ny Ranomasimbe Indianina eo atsinanana. Ny tanàna akaiky indrindra dia i Toamasina.
Tafiditra ao anatiny koa ny valan-javaboary an-dranomasina mirefy 1 000 ha akaikin' ny tanàna Sahasoa, misy nosy telo, 3,5 km miala an' i Sahasoa: ny Nosy Antafana sy ny Nosy Hely ary ny Nosy Rangontsy. Ao Nosy Antafana dia misy toeram-pilasiana eo akaiky loharano.
Indreto ny karazan-javamananaina miavaka sasany hita ao: ny Dypsis antanambensis, hazo rofia tsy fahita firy; ny Voanioala gerardii, voanio tsy fahita firy; ny Allocebus trichotis (Tsidy ala) gidro tsy hita afa-tsy eo akaikin' ny ony Mananara.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Valan-javaboary
- Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia • Valan-javaboarim-pirenena Andohahela • Valan-javaboarim-pirenena Andringitra • Valan-javaboarim-pirenena Ankarafantsika • Valan-javaboarim-pirenen' ny Helodranon' i Baly • Valan-javaboarim-pirenena Isalo • Valan-javaboarim-pirenena Kirindy Mitea • Valan-javaboarim-pirenen' i Mananara-Avaratra • Valan-javaboarim-pirenena Marojejy • Valan-javaboarim-pirenena Masoala • Valan-javaboarim-pirenena Midongy Atsimo • Valan-javaboarim-pirenen' ny Tendrombohitra Ambre • Valan-javaboarim-pirenena Namoroka • Valan-javaboarim-pirenena Nosy Ve-Androka • Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana • Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa • Valan-javaboarim-pirenena Zahamena • Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia