Propithecus deckenii

Avy amin'i Wikipedia
Sifaka ao amin' ny Tsingin' i Bemaraha
Faritra misy ny Propithecus deckenii

Ny Propithecus deckenii dia karazana sifaka miaina any amin' ny ala maina any andrefan' i Madagasikara, any Manambolo ka hatrany Mahavavy Avaratra.

Ny volo mandrakotra ny vatany dia fohy kokoa noho ny an' ny Propithecus verreauxi, nefa fotsy tanteraka, mety milokom-bolamena na manja hatsatra indraindray eo amin' ny tendany, ny sorony, ny lamosiny ary ny tongony. Mainty ny molony, matetika rakotra volo fotsy. Mirefy 42 hatramin' ny 48 sm ny vatany, 50 hatramin' ny 60 sm ny rambony ary 3 hatramin' ny 4,5 kg ny lanjany. Iray amin' ny karazana sifaka sivy misy eto Madagasikara izy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]