Propithecus tattersalli

Avy amin'i Wikipedia
Propithecus tattersalli
Faritra misy ny Propithecus tattersalli

Ny Propithecus tattersalli dia karazana sifaka miaina any amin' ny ala trôpikaly avaratra maina eto Madagasikara, izay voafetra dia voafetra amin' ny faritra tena simba sy miparitaka manodidina ny tanànan' i Daraina, eo anelanelan' ny renirano Loky sy Manambato. Iray amin' ny karazana sifaka sivy misy eto Madagasikara izy.

Ny volo mandrakotra ny vatany dia fotsy mavomavo amin' ny ankapobeny, manopy volom-boasary eo amin' ny sandriny sy ny feny. Misongadina ary manome endrika telozoro ho an' ny lohany ny sofiny izay mainty sy be volo. Mammpiavaka mazava tsara an' io karazana io amin' ny hafa rehetra ny "satroboninahitra" milokom-bolamena izay mandravaka ny tampon' ny lohany. Ny halavan' ny vatany dia 45 hatramin' ny 47 sm, 42 hatramin' ny 47 sm ny rambony, ary eo anelanelan' ny 3,4 sy 3,6 kg ny lanjany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]