Propithecus diadema

Avy amin'i Wikipedia
Propithecus diadema
Faritra misy ny Propithecus diadema

Ny Propithecus diadema dia iray amin' ireo karazan-tsifaka sivy eto Madagasikara, izay miely indrindra, hita ao amin' ny ala mando sy amin' ny tehezan-tendrombohitra atsinanana. Hatrany avaratra ka hatrany amin' ny reniranon' Antainambalana no nisy azy taloha, saingy tsy hita intsony any an-dafin' i Mananara Atsimo izy ankehitriny. Any amin' ny faritra atsimo dia miara-monina ary azo antoka fa mifanambady amin' ny Propithecus edwardsi eo amin' ny sisin' i Mangoro, izay mamaritra ny fetran' ny fizaran-tany eo amin' ireo karazana roa ireo.

Ny lokon' ny volo mandrakotra ny lamosiny dia miova avy any ambony mankay ambany, avy amin' ny volombatolalaka ka hatramin' ny manopy volom-blafotsy. Ny sisim-batany sy ny rambony dia volombatolalaka somary mazava na fotsy, ary ny rantsambatany dia mivolomboasary na mavo toy ny volamena. Mainty sady voahodidin' ny "diadema" vita amin' ny volo fotsy lava ny molony sy ny tarehiny, ka mifanohitra amin' ny volo mainty mandrakotra ny tampon-dohany ka hatrany amin' ny vozony. Ny santionany hita vao haingana tany amin' ny alan' i Tsinjoarivo dia mampiseho fiovana maro avy amin' io (anisan' izany fahitana karazany mainty manontolo) ary mety ho zana-karazana miavaka izany. Eo anelanelan' ny 50 sy 55 sm ny halavan' ny vatany, 44 hatramin' ny 50 sm ny rambony, ary 6 hatramin' ny 8,5 kg ny lanjany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]