Propithecus coronatus
Fiseho

Ny Propithecus coronatus dia karazana sifaka miaina any amin' ny ala maina any andrefana, any Mahavavy Avaratra ka hatrany Betsiboka. Iray amin' ny karazana sifaka sivy misy eto Madagasikara izy.

Fotsy ny volo mandrakotra ny vatany ary mifanohitra tanteraka amin' ny loko volontakatra amin' ny lohany sy ny tendany. Indraindray voahodidin' ny andalam-bolo hatsatra ny molony izay fisaka sady mivohitra boribory. Ny lokon' ny tratrany, ny sorony ary ny sandriny dia miova avy amin' ny mavo ka hatramin' ny manja manopy volom-bolamena. Ny halavan' ny vatany dia eo anelanelan' ny 39 sy 45 sm, ny rambony 48 hatramin' ny 57sm, ary eo anelanelan' ny 3,5 sy 4,3 kg ny lanjany.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Propithecus verreauxi
- Propithecus coquereli
- Propithecus deckenii
- Propithecus tattersalli
- Propithecus diadema
- Propithecus edwardsi
- Propithecus candidus
- Propithecus perrieri