Propithecus coquereli

Avy amin'i Wikipedia
Sifaka ao Ankarafantsika

Ny Propithecus coquereli dia karazana sifaka, miaina any amin' ny ala maina any andrefan' i Madagasikara, any Betsiboka ka hatrany amin' ny manodidina an' i Bealanana. Iray amin' ny karazana sifaka sivy misy eto Madagasikara izy.

Faritra misy ny Propithecus coquereli

Ny volo madrakotra ny vatany, amin' ny lamosina sy ny lohany ary ny rambony dia matevina sy fotsy. Rakotra takelaka volontany ny tratrany, ny ao anatin' ny rantsambatany, ny feny ary ny sorony. Ny tarehiny sy ny sofiny dia tsy misy volo sady mainty, afa-tsy ny volo fotsy miendrika mahitsioro manarona ny vavany. 42 hatramin' ny 50 sm ny halavan' ny vatany, 50 hatramin' ny 60 sm ny rambony, ary 3,7 hatramin' ny 4,3 kg ny lanjany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]