Gidro
Fiseho
Ny gidro dia biby isan-karazany ao amin' ny fianakaviana Lemuridae, na ao amin' ny reny fianakaviana Lemuroidea, indrindra ny Eulemur coronatus, ny Eulemur mongoz, ny Lemur catta ary ny Lepilemur mustelinus. Tsy ireo hany no biby ao amin' io fianakaviana io antsoina amin' io anarana io fa misy maro hafa, eny fa hatramin' ny rajako, izay antsoina amin' ny anarana hafa ahafantarana azy manokana kokoa.
Lisitry ny anaran-gidro amin' ny teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Inty ny lisitry anarana amin' ny teny malagasy iantsoana ny karazana gidro arakarahin' ny anarana ara-tsiansan' ny karazana:
A
[hanova | hanova ny fango]- ahay: Daubentonia madagascariensis
- aiay: Cheiromys madagascariensis, Daubentonia madagascariensis
- alokoteha: Hapalemur griseus
- amboanala: Indri indri, sns
- ampongy: Avahi laniger, Avahi occidentalis
- ankomba: Eulemur coronatus, Eulemur fulvus sanfordi, Eulemur macaco flavifrons, Eulemur macaco macaco
- ankombamalandy: Propithecus tattersalli, Propithecus verreauxi coquereli
- ankombajoby: Eulemur macaco flavifrons, Propithecus diadema perrieri
- ankombamena: Eulemur macaco flavifrons
- apongy: Lepilemur dorsalis
- avahy: Avahi laniger