Rindrankajy

Avy amin'i Wikipedia

Ny rindrankajy (anglisy: software) dia teny avy amin'ny teny roa soft sy ware izay midika hoe malemy sy entana izany hoe entana malemy(na azo ahova) izay mifanohitra amin'ny entana mafy tsy azo ahova (hardware). Eo amin'ny kajimirindra dia hita mazava tsara ny tsy fitoviana satria ny software dia tsy maintsy tehirizina ao anaty fitadidiana ary ny hardware dia izay entana rehetra azo tsapain-tanana.

Raha ampitahaina amin'ny olombelona dia ny saina no software ary ny vatana sy ny loha kosa dia hardware. Ny saina tsy misy raha tsy eo loha sy vatana mitahiry azy ary dia toy izany koa ny software tsy misy raha tsy eo ny hardware mitahiry azy.

Ny Namorona azy[hanova | hanova ny fango]

I John W. Tukey no nampiasa voalohany io teny io tamin'ny taona 1957. Izy moa dia mpikaroka statistika ary niasa momban'ny fanamboarana ny milina fikajiana.

Ny karazany[hanova | hanova ny fango]

Azo sokajiana telo ny software.

Ny software fandrindrana (System Software)[hanova | hanova ny fango]

Ny software fanamboarana (Programming Software)[hanova | hanova ny fango]

Ny software fampiasana (Application Software)[hanova | hanova ny fango]

Ny olana amin'ny software: resaka tompony[hanova | hanova ny fango]

Hita mazava fa rehefa misy zavatra foronina dia tsy maintsy misy ny mpamorona. Satria rehefa amidy ny entana voaforina dia tsy maintsy mahazo ny anjarany ny mpamorona (droit d'auteur na royalty). Misy ny mpamorona tsy mivaky loha amin'ny resaka vola ka dia izay zavatra noforoniny dia omeny maimaimpoana. Ohatra amin'izany i Tim Berners Lee izay namorona ny web na tranokala. Eo kosa ny mpamorona izay manan-karena indrindra eran-tany noho ny varotra nataony momban'ny software tsy iza izany fa i Bill W. Gates izay namorona an'i Microsoft.

Footnotes[hanova | hanova ny fango]