Repoblika Tiorka an'i Kiprosy
| |||||
![]() | |||||
Fanjakana | |||||
---|---|---|---|---|---|
Statut politique | Sécession de Chypre depuis le 15 novembre 1983, reconnue seulement par la Turquie | ||||
Capitale | Lefkoşa (Nicosie) 35°10′N 33°21′E / 35.167°N 33.350°E | ||||
Governemanta - Président - Premier Ministre |
Mustafa Akıncı Hüseyin Özgürgün | ||||
Jeografia | |||||
Velarantany | 3 355 km² | ||||
Demôgrafia | |||||
Isam-ponina (2012) | 294 906[1] hab. | ||||
Hakitroka | 78 hab./km² | ||||
Fiteny | Turc | ||||
Toe-karena | |||||
PIB (2004) · PIB/hab. |
1,766 G$ 8 095 $US | ||||
Sandam-bola | Livre turque[2] (TRY )
| ||||
Hafa | |||||
Ora | UTC +2UTC+3 à l’heure d'été. | ||||
Domaine internet | .nc.tr[3] ou .cy | ||||
Indicatif téléphonique | +90 (392)[4] | ||||
Hiram-pirenena | İstiklâl Marşı[5] |
I Kiprosy Avaratra na Repoblika Torkan'i Kiprosy Avaratra dia fanjakana izay tsy misy manaiky afa-tsy i Torkia, ao amin'ny tapany avaratra atsinanan'ny nosy Kiprosy. Nanambara ny fahaleovantenany izy tamin'ny 15 Novambra 1983, sivy taona taorian'ny fidirana antsehatry ny tafika torka tao amin'ny tapany avaratry ny nosy tamin'ny taona 1974, hanoherana ny fikasana hanakambana io nosy io amin'i Gresy (na Grisia) nataon'ny vondrona manamboninahitra mpanongam-panjakana tao amin'ny mpisahana ny fiambenana ny firenena kiprioty (notarihin'i Níkos Sampsón), izay avy nanongana ny filoha Mikhaíl Makarios tamin'ny taona 1974.
Atao hoe Kuzey Kıbrıs Türk Cumhuriyeti (hafohezina amin'ny hoe Kuzey Kıbrıs sy KKTC) i Kiprosy Avaratra amin'ny teny torka, fa Τουρκική Δημοκρατία της Βόρειας Κύπρου (hafohezina amin'ny hoe Βόρεια Κύπρος na ΤΔΒΚ) amin'ny teny grika ankahitriny.
Ny Fanjakan'i Kiprosy Avaratra dia ataon'ny Firenena Mikambana sy ny Filankevitr'i Eoropa tapany avaratry ny Repoblikan'i Kiprosy ihany. Ny tafika torka anefa mametraka miaramila miisa 30 000 ao sady nanao izay honenanan'ny olona miisa 120 000 ao avy any Anatolia nanomboka tamin'ny taona 1974. Ny mponina Kiprioty torka tompon-tany dia vitsy kokoa raha mitaha amin'ny mpifindra monina avy any Torkia.
Ny Repoblika Tiorka an'i Kiprosy (Kuzey Kıbrıs Türk Cumhuriyeti) dia firenena "nahazo fahaleovantena" tamin'ny 15 Novambra 1983, teo arinan'ny natongavan'ny torka teo avaratran'ny nosy ny Kipra tamin'ny 1974. Ny Torkia ihany no mafantatra azy.