Aller au contenu

Kordistàna

Avy amin'i Wikipedia
Kordistàna

I Kordistàna na Kordistana Lehibe dia faritra ara-jeôgrafia sy ara-kolontsaina ao Azia Andrefana, ka ny Kiorda no maro anisa ao ary ny kolontsaina sy ny fiteny ary ny maha vahoaka kiorda dia manam-pototra ara-tantara. Amin' ny teny kiorda izy dia atao hoe کوردستان / Kurdistan, izay midika hoe "Tanin' ny Kiorda". Ara-jeôgrafia dia manodidina ny tapany avaratra-andrefan' i Zagros sy ny tandavan-tendrombohitra Taurus atsinanana i Kordistàna.

Faritra misy an' i Kordistàna eto amin' izao tontolo zao

I Kordistàna dia mivelatra ao amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Torkia (Kordistàna Avaratra) sy ao amin' ny tapany avaratr' i Iràka (Kordistàna Atsimo) sy ao amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Iràna (Kordistàna Atsinanana) sy ao amin' ny faritra kely roa ao amin' ny tapany avaratra-atsinanana sy avaratra-andrefan' i Siria (Kordistàna Andrefana). Amin' ireo firenena efatra voatanisa ireo dia ny roa ihany no manaiky ny fisian' ny faritra mitondra ny anarana hoe Kordistàna, dia i Iràna sy i Iràka. Tsy firenena mahaleo tena i Kordistàna. Ny famaritana sasany dia mampiditra ampahany amin' ny tapany atsimo amin' i Transkaokazia. Ny fikambanana nasionalista kiorda sasany dia mikatsaka ny hanangana firenena-fanjakana mahaleo tena ahitana ny sasany na ny faritra rehetra maha maro anisa ny Kiorda, ny hafa kosa manao fampielezan-kevitra mba hahazoana fizakan-tena bebe kokoa ao anatin' ny sisin-tany efa misy. Na izany aza, mbola iadian-kevitra sy miovaova ny famariparitana ilay faritra, ary misy sarintany manitatra be ny sisin-taniny.

Sainan' i Kordistàna

Ara-tantara, ny teny hoe "Kurdistan" dia voaporofo fisiana voalohany tamin' ny tantaran' ny Seljokida tamin' ny taonjato faha-11. Tarana-mpanjaka kiorda, emirata, printsipaotea ary faritra fehezim-dehibe maro no niorina tamin' ny taonjato faha-8 ka hatramin' ny faha-19. Ara-pitantanana, tamin' ny taonjato faha-20 dia nitsangana ny faritry ny Fanjakana Kiorda (en) izay tsy nahari-pisiana (1918–1919), ny Fanjakan' i Kordistàna (1921–1924) (en), i Kurdistansky Uyezd izany hoe "Kordistàna Mena" (1923–1929) (en), ny Repoblikan' i Ararat (1927–1930) (en), ary ny Repoblikan' i Mahabad (1946) (en).

I Kordistàna Irakiana no nahazo ny satan' ny fizakan-tena voalohany tamin' ny fifanarahana natao tamin' ny taona 1970 niaraka amin' ny governemanta irakiana, ary nohamafisina indray ny maha Faritra Kurdistan mizaka tena azy ao anatin' ny Repoblika Federaly Irakiana tamin' ny taona 2005. Misy ihany koa ny Faritanin' i Kurdistan ao Iràna, izay tsy mifehy tena. Ny Kiorda izay niady tamin' ny ady an-trano tao Siria dia afaka nifehy ny faritra midadasika ao amin' ny tapany avaratr' i Siria ary nanangana faritra mitantan-tena tao amin' ny Fitantanana Mizakatenan' i Siria Avaratra sy Atsinanana (antsoina matetika hoe Rojava), izay itadiavany fizakan-tena amin' izay mety ho Siria federaly taorian' ny ady any aoriana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Lisitry ny firenena any Azia:

Fanjakana mbola misy olana: