Konsily ekiomenika

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny konsily ekiomenika dia konsily na fivorin'ny eveka sy ny manampahefana ara-pivavahana rehetra ao amin'ny Fiangonana kristiana. Rehefa nisaratsaraka anefa ny Fiangonana kristiana nandritra ny tantaran'ny kristianisma dia nanohy nampiasa ny teny hoe konsily ny Fiangonana katolika na dia tsy nahafaoka ny Fiangonana kristiana manontolo izany fivoriana izany. Ny Ortodoksa, ohatra, dia tsy manaiky ny fahefan'ny konsily ankoatr'ireo enina voalohany, nefa ny Katolika dia manaiky ny konsily ekiomenika efatra ambin'ny folo tamin'ny taonarivo faharoa, izany hoe konsily ekiomenika miisa 21. Ny farany amin'ireo konsily ireo dia ny Konsily Vatikàna II izay novorina tamin'ny taona 1962 hatramin'ny taona 1965. Matetika ny mpitondra fanjakana tamin'ireo taonjato nifandimby no nampanao konsily, fa ankehitriny kosa dia tsy miditra amin'izany ny fanjakana fa raharaha manokan'ny fivavahana izany.

Ny konsily ekiomenika efatra voalohany[hanova | hanova ny fango]

Ireto konsily efatra ireto dia eken'ny Fiangonana katolika sy ny Fiangonana ortodoksa ary ny ankamaroan'ny Fiangonana protestanta.

Ny Konsily voalohany tao Nikea (taona 325)[hanova | hanova ny fango]

Ny Konsily voalohany tao Nikea (na Nisea) dia natao tamin'ny taona 325 ka ny emperora Konstantino no nampiantso azy. Io no konsily voalohany. Izany dia natao mba handraiketana ny maha Andriamanitra an'i Jesosy Kristy ka hanoherana ny fampianaran'i Ariosy (arianisma) izay noheverina ho fampianaran-diso tamin'izay. Tapaka fa mitovy fomba (homoousia) amin'ny Ray ny Zanaka amin'ny maha Andriamanitra ny Ray sy ny Zanaka. Navoaka ny Fanekem-pinoana nikeana. Araka ny lovantsofina dia i Nikolasy avy any Mira (izay fantatra amin'ny hoe Masindahy Nikolà) sy i Spiridona avy any Trimitonta dia nandray anjara betsaka tamin'io konsily io.

Ny Konsily voalohany tao Konstantinopoly (taona 381)[hanova | hanova ny fango]

Nanamafisana ny zavatra tapaka tao amin'ny Kosilin'i Nikea ny Konsily voalohany tao Konstantinopoly (na Konstantinopla) izay nanalavana ny Fanekem-pinoana nikenana ka lasa Fanekem-pinoan'i Nikea sy Konstantinopoly. Io no konsily faharoa. Ny emperora Teodosio I no mampamory tamin'izany. Tapaka fa Andriamanitra koa ny Fanahy Masina. Tsy nandray anjara tamin'io ny Fiangonana latina.

Io kosily io dia nanameloka ny fampianaran'i Makedoniko sy ireo pneomatomaka izay nanda ny maha Andriamanitra ny Fanahy Masina. Nohamafisiny ny maha Andriamanitra an'i Kristy sady nambarany fa Andriamanitra koa ny Fanahy Masina ary noraiketiny ilay fanekem-pinoana natao tamin'ny konsily voalohany tao Nikea. Io konsily io koa no nanome fahamboniana fara tampony ny evekan'i Roma sy ny an'i Kostantinoply amin'ny eveka rehetra.

Ny Konsily tao Efeso (taona 431)[hanova | hanova ny fango]

Ny Konsily tao Efeso (na Efesosy na Efezy) dia nanapahana ny maha Renin'Andriamanitra (gr.: Theotokos) an'i Maria. Iono konsily fahatelo. Nivoaka noho izany ny Fanekem-pinoan'i Efezy. Tsy eken'ny Protestanta ny fiantsoana an'i Maria ho Renin'Andriamanitra. Nitsipahana ny nestorianisma koa izany.

Nanambara ny maha tokana tsy mizara an'i Kristy hatrany am-bohoka ny konsily sady niantso an'i Maria hoe Theotokos ("Renin'Andriamanitra"), izany hoe renin'ilay Andriamanitra ara-natiora. Nohelohiny ny fampianaran'i Nestoriosy, patriarkan'i Konstantinopoly izay nampianatra (mba tsy hampifangaroana ny olona atao hoe Jesosy sy ny Logos izay an'Andriamanitra) fa i Maria Virjiny dia tsy niteraka afa-tsy olombelona izay manana fifamatorana tsy azo foanana amin'ny Logosn'Andriamanitra. I Nestoriosy mantsy dia nampianatra fa miara-misy ireo natioran'i Kristy roa ireo nefa misaraka. I Kirilosy avy any Aleksandria dia nandray anjara mavitrika tamin'ny fanapahan-kevitra tamin'io konsily io. Nitsipaka io fanapahan-kevitry ny konsily io ireo Fiangonana nestoriana sady nisaraka tamin'ny Fiangonan'ny Empira.

Ny Konsily tao Kalkedona (taona 451)[hanova | hanova ny fango]

Ny Konsily tao Kalkedona (na Kalsedoana) no nanambaràna ny fananan'i Jesosy fomba (na natiora) roa, dia natioran'Andriamanitra sy natioran'olombelona. Io no konsily fahefatra. Izany konsily izany no nanoherana an'i Eotikesy, izay nampianatra fa nifangaro ka tsy azo avahana ao amin'ny natioran'Andriamanitra ny natioran'olombelona ao amin'i Kristy. Heverin'ny tao amin'ny konsily ho fampianaran-diso izany fampianarana izany izay nataony hoe monofizisma. Ny emperora Teodosio II no nampanao io konsily io. Nivoaka tamin'izany ny Fanekem-pinoanan'i Kalkedona.

Nitsipaka izany ireo izay nihevitra fa izany fisianana natiora roa miavaka izany dia fanoherana ny maha iray ny personan'i Kristy izay nambaran'i Kirilosy avy any Aleksandria sy nambaran'ny konsily tao Efeso. Nandray anjara betsaka tamin'izany konsily izany i Flaviano avy any Konstantinopoly sy i Leo I avy any Roma. Manda ny fanapahan-kevitr'io konsily io koa ireo Fiangonana atao hoe "monofizita" izay tsy manaiky ny fananan'i Kristy natioran'olombelona.

Ireo konsily efatra manaraka[hanova | hanova ny fango]

Ny Konsily faharoa tao Konstantinopoly (taona 553)[hanova | hanova ny fango]

Nanamafisana ny fananan'i Kristy natiora roa ny Konsily faharoa tao Konstantinopoly ka nambara fa sady olona no Andriamanitra i Kristy. Io no konsily fahatelo. Nohelohina ny asa soratra manohana ny nestorianisma. Ny emperora Jostiniano no nampanao azy ary ny patriarka Eotikiosy avy any Kostantinopoly no nitarika azy. Ny mba hanamafisan'ny Fiangonana ny fanamelohany ny soratry ny teolojiana telolahy, dia i Teodora avy any Mopsoesto sy i Teodoreto avy any Kira ary i Ibasy avy any Edesa, tamin'ny taona 553. Tsy tratra ny tanjon'ny emperora Jostiniano izay nikendry ny hampihavana ny Kristiana kalkedoniana sy ny Kristiana monofizita ao amin'ny tapany atsinanan'ny empira.

Ny Konsily fahatelo tao Konstantinopoly (taona 680 sy 681)[hanova | hanova ny fango]

Nambara tamin'ny Konsily fahatelo tao Konstantinopoly fa manana sitrapo roa i Kristy amin'ny maha olombelona sy Andriamanitra azy, dia sitrapon'olombelona sy sitrapon'Andriamanitra. Io no konsily fahenina. Ny emperora Kostantino IV no nampanao io konsily io mba handaminana ny tsy fifanarahan-kevitry ny Fiangonan'i Kostantinopoly sy ny Fiangonan'i Roma nateraky ny atao hoe monotelisma. Nohelohina noho izany ilay atao hoe monotelisma izay milaza fa i Kristy dia tsy manana afa-tsy hery iray sy sitrapo iray, dia ny sitrapon'Andriamanitra, na dia manana natiora roa aza.

Ny Konsily faharoa tao Nikea (taona 787)[hanova | hanova ny fango]

Ny Konsily faharoa tao Nikea dia natao mba hanamelohana ny fanimbana sary masina izay nomena ny anarana hoe ikonoklasma. Io no konsily fahafito. Ny mpomba ny fanimbana ny sary masina dia nilaza fa mifanohitra amin'ny fivavahana kristiana marina ny fampiasana sary hanehoana an'i Kristy sy i Maria sy ireo olo-masina hafa. Nandresy tamin'izany konsily izany ny mpomba ny fampiasana ny sary masina (atao hoe ikonodola). Nekena ny fanajana ny sary masina.

I Irena Ateniana (grika: Ειρήνη η Αθηναία / Eirênê ê Athênaia) no nampanao io konsily io. Izany konsily izany dia nanapaka fa ny voninahitra omena ny sary masina dia tsy ho an'ilay sary fa ho an'ny zavatra asehon'ilay sary. Navahana ny atao hoe adorasiona, izay tsy tokony hatao afa-tsy amin'Andriamanitra, sy ny venerasiona, izay atao amin'ny sary masina na amin'ny sisan-javatra avy amin'ny olo-masina efa maty (relika) na amin'ny olo-masina mba hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra. Nohelohina ho toy ny mpanda ny fahatongavan'Andriamanitra ho nofo ny mpanimba sary masina (ikonoklasta).

Ny Konsily fahefatra tao Konstantinopoly (taona 869 sy 870)[hanova | hanova ny fango]

Ny Konsily fahefatra tao Konstantinopoly no nampisaraka ny Fiangonan'i Roma sy ny Fiangonan'i Konstantinopoly. Io no konsily fahavalo. Notapahana fa ny lovantsofina na Lovampinoana dia isan'ny fitsipiky ny finoana koa manampy ny Soratra Masina. Nohelohina ny fiheverana ny olona ho fitambaran-javatra telo, dia ny vatana sy ny fanahy-aina ary ny fanahy; ary nohamafisina ny fiheverana ny olombelona ho fitambaran-javatra roa, dia ny vatana sy ny fanahy-aina.

Nataon'ny Fiangonana tandrefana hoe mivoaka amin'ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy masina: izany no atao amin'ny teny latina hoe Filioque (izay midika hoe "sy ny Zanaka"). Tsy neken'ny Fiangonana ortodoksa izany konsily izany. Nitsipaka ny fanovanana ny hoe Filioque amin'ny Fanekem-pinoana nikeana izany konsily izany. Ny Fiangonan'i Roma dia nino fa mivoaka amin'ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina fa ny Fiangonan'i Konstantinopoly kosa tsy nanaiky an'izany fa nanamafy ny fivoahan'ny Fanahy Masina amin'ny Ray irery ihany.