Nestorianisma

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Fanamelohana an'i Nestorio nandritra ny konsilin'i Efeso, nataon'i Charles-Antoine Bridan, taona 1787.

Ny nestorianisma dia foto-pampiam-pinona ao amin'ny tantaran'ny Kristianisma izay milaza fa misy persona sy natiora roa miara-misy ao amin'i Jesosy Kristy ka ny voalohany persona sy natiora araka an'Andriamanitra fa ny faharoa dia persona sy natioran'olombelona. I Nestorio (na Nestoriosy), patriarkan'i Konstantinopoly teo anelanelan'ny taona 428 sy 431, no niaro izany fampianarana izany. Nanameloka ny fampianaran'i Nestorio ny konsily tao Efeso (na Efezy) tamin'ny taona 431. Ny anarana hoe Nestoriana dia niantsoana ireo mpanaraka ny fampianaran'i Nestorio.

Kristolojia nestoriana[hanova | hanova ny fango]

Tsy manaiky ny hoe "Renin'Andriamanitra"[hanova | hanova ny fango]

Satria misaraka tanteraka ny persona roan'i Jesosy Kristy dia tsy eken'ny Nestoriana ny filazana an'i Maria ho reny niteraka an'Andriamanitra (grika: Theotokos). Nihevitra i Nestorio fa tsy afaka hiteraka an'Andriamanitra izay tsy nanan-javatra hafa niaviana ny vehivavy izay olombelona noforonina.

Mandà ny fijalian'Andriamanitra[hanova | hanova ny fango]

Laviny koa ny filazana fa nijaly sy nohomboana teo amin'ny hazo fijaliana Andriamanitra. Amin'izy ireo dia renin'ilay olombelona atao hoe Jesosy i Maria ka i Jesosy araka ny natiora maha olombelona azy no nohomboana teo amin'ny hazo fijaliana fa tsy Andriamanitra.

Khristotokos fa tsy Theotokos[hanova | hanova ny fango]

Ny hoe Khristotokos ("Renin'i Kristy") izay heveriny fa azo hamarinina araka ny Soratra Masina, no anaram-boninahitra mety kokoa hiantsoana an'i Maria fa tsy ny hoe Theotokos ("Renin'Andriamanitra") na ny hoe Anthropotokos ("Renin'ny olombelona").

Fanamelohana ny nestorianisma[hanova | hanova ny fango]

Nanohitra ny hevitr'i Nestorio i Kirilosy (na Kirilo na Sirily), patriarkan'i Aleksandria izay nahazo fanohanana tamin'ny Fiangonan'i Roma. Nampangaina ho manana fisainana manaraka ny adoptianisma i Nestorio. Ny sinodam-paritra natao tao Roma tamin'ny taona 430 dia nanameloka ny hevitr'i Nestorio. Nanameloka ny nestorianisma koa ny konsily natao tao Efeso (Efesosy na Efezy) tamin'ny taona 431 (izay nanapaka ny fanekana ny mahz Renin'Andriamanitra na Teotokosy an'i Maria) sady nanaisotra ny maha patriarkan'i Konstatinopoly an'i Nestorio izay lasa nisesitany tany Perà tamin'ny taona 431 aloha, avy eo tany Al-Kharga izay nahafatesany tamin'ny taona 451.

Ny fiangonana heverina fa nestoriana[hanova | hanova ny fango]

Fiangonana any atsinanana[hanova | hanova ny fango]

Isan'ireo firehana nanana ny lanjany ny nestorianisma teo amin'ny tantaran'ny kristianisma nandritra ny faraparan'ny Andro Taloha hatramin'ny Andro Antenantenany nanomboka tao amin'ny Fiangonana any Atsinanana. Mbola misy ireo fiangonana izay mandala izany fampianarana tao amin'ny kristianisma tatsinanana izany any antsinanan'i Anatolia sy any avaratr'i Mesopotamia (Torkia sy Iràka).

Misy fiangonana, dia ireo atao hoe Fiangonana'ny konsily roa (dia ny konsily voalohany tao Nikea tamin'ny taona 325 sy ny konsily voalohany tao Konstantinopoly tamin'ny taona 381), izay nandà ny fanapahan-kevitra tao amin'ny kosilin'i Efeso, ka atao hoe Fiangonana nestoriana, nefa misy ny mihevitra fa diso izany fomba fiantsoana ireo fiangonana ireo izany.

Fiangonana nipoitra avy amin'ny Reforma[hanova | hanova ny fango]

Ampangaina na sokajina ho nestoriana koa ireo fiangonana mandà ny maha Renin'Adriamanitra an'i Maria, dia ireo fiangonana nipoitra avy amin'ny Fanavaozam-piangonana protestanta.

Tsy tena marinanefa a izany fiampangana izany satria ireo fiangonana ireo dia tsy mampianatra ny fananan'i Jesosy persona roa fa natiora roa. Ireo fiangonana tsy mino ny trinite koa dia tsy azo ampangaina ho nestoria satria sady tsy mampianatra ny fananan'i Jesosy persona roa no tsy mampianatra ny fananany natiora roa.a.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]