Spiridôna avy any Trimitônta

Avy amin'i Wikipedia
Md Spiridôna

I Spiridôna avy any Trimitonta na Masindahy Spiridôna dia evekan' i Trimitontôsy (ao avaratr' i Larnaka), tao amin' ny nosy Kiprôsy (na Sipra), tamin' ny taonjato faha-4. Ny daty nahaterahany dia manodidina ny taona 270, ary ny nahafatesany manodidina ny 348. Atao hoe Ο Άγιος Σπυρίδων, Επίσκοπος Τριμυθούντος / O Hagiôs Spiridôn, Episkopos Trimythountos izy amin' ny teny grika.

Milaza ny fitantarana fa mpiandry ondry izy aloha, na fara faharatsiny, tompon' ondry maro be. Amin’ ny maha eveka azy, na angamba kôreveka ("eveka mpanampy any ambanivohitra"), dia tsy maintsy niharan' ny fanenjehan' i Galerio izy, indrindra fa noterena hiasa any amin' ny toeram-pitrandrahana. Noheverina ho nandray anjara tamin' ny Kônsily voalohany tao Nikea izy. Tena omem-boninahitra izy any Kiprôsy, izay misy fahagagana lazaina fa nataony ka nahatonga azy hahazo anaram-bositra hoe "Masindahy Spiridôna Mpanao Fahagagana" (Ο Άγιος Σπυρίδων, ο Θαυματουργός / O Hagios Spyridôn, o Thaumatourgos).

Tena omem-boninahitra koa izy any amin' ny nosy Corfu (Kerkyra), izay misy ny sisa tamin' ny vatany. Ilay Kôrfiôta atao hoe Nikôlaà Volgarisy dia namorona birao ho fanomezam-boninahitra azy, ary koa ny fitantarana ny famindrana ny relikany ho any Kônstantinôpla. Ao amin' ny sarimasina ôrtôdôksa izy dia aseho mitafy satroka mpiandry ondry, noho ny fanetren-tenany. Amin' ny 12 Desambra no fankalazana ny fetiny.