Aller au contenu

Kiobà

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Kiobà
Saritanin' i Kiobà eo anivon' izao tontoklo izao

I Kiobà dia firenena ao Amerika Afovoany, ao amin' ny vondronosy Antilia (frantsay: Antilles), any amin' ny Ranomasina Karaiba. Ny renivohiny dia i La Habana (na La Havane amin' ny teny frantsay). Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 109 887 km2 ny velarantaniny ary miisa 11 163 934 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2012. Ny faritr' orany dia −5. Ny fiteny espaniôla no fiteny ôfisialy any.

Manodidina ny 66 % amin' ny Kiobàna no taranaky ny mpanjana-tany espaniôla. Ny ampahany be amin' ny toekaren' i Kiobà dia fehezin' ny fanjakana: 90 %-n' ny sehatry ny indostria ary 70%-n' ny tany fambolena dia tantanan’ ny fanjakana.

Ny nosin' i Kiobà dia hitan' ilay tantsambo espaniôla Christophe Columb tamin' ny taona 1492; ny Amerindiana no nonina tamin' izany fotoana izany. Ny fanjanahan-tany nataon' i Espaina dia nanomboka taona vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin' ny taona 1511. Tamin' ny taona 1902 vao lasa repoblika mahaleo tena i Kiobà. Raha vao tonga ny taona 1956 dia teraka ny fikomiana tamin' ny tafika maharitra. Anisan' ny mpikomy i Che Guevara sy i Fidel Castro; ity farany no nandray ny fahefana tamin' ny fomba ôfisialy tamin' ny taona 1959. Nampitsahatra ny fifandraisana rehetra tamin' i Etazonia ny mpitondra kiobàna fa nanatona ny Firaisana Sôvietika kôminista. Taorian' ny vanim-potoana fitokanana ara-diplômasia dia nipoitra indray teo amin' ny sehatra iraisam-pirenena i Kiobà, ary Kiobàna maro no nifindra monina tany Etazonia.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]