Antananarivo

Avy amin'i Wikipedia
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Ny farihin'Anosy dia miendrika fo maratra ary misy tsangam-bato afovoany nanoratana ny anaran'ireo maherifon'ny ady lehibe faharoa Malagasy sy Frantsay

Antananarivo dia renivohitra ara-politika sy ara-toe-karenan'i Madagasikara. Ny dikan'ny anarana hoe «Antananarivo» dia «Tanànan'ny Arivolahy» arak'izany. Tena eo anivon'ny Nosy no misy ny faritan'Antananarivo izay midadasika amin'ny velarantany 58.283 km2. Ny tanànan'Antananarivo renivohitra kosa dia eo amin'ny 1254 m ny hahavony mihoatra amin'ny ranomasina (araben'ny fahaleovantena); 1282 m (Lapan'Andafiavaratra), 1468 m (Rovan'i Manjakamiadana).

Jeografia

Azo lazaina ho ranoray ny firafitry ny vohon-taniny raha miohatra amin'ireo faritany sasany toa an'i Fianarantsoa na Toamasina. Any avaratra, misy an'i Tamponketsa dia tany karankaina; zara raha mahavokatra kely horaofin'ny biby fiompy ny any Bongolava any andrefana. Ny any atsimo no manankarena, izay ahitana ny onin'i Mania. Any atsinanana kosa dia voafaritr'ireo harambato mitatao ny lemak'i Moramanga sy Anjiro amin'ny lafiny iray ary ny debok'Alaotra amin'ny ankilany. Ny salan'ny haavon'ny tendrombohitra dia 1300 m, fa ny avo indrindra dia Tsiafajavona, 2700m, ao amin'ny vondron-tendrombohitr'Ankaratra. Maro ireo ony miandoha avy any Itasy sy Vakinankaratra no miantoka ny famatsian-drano ireo faritra manodidina. Ny fiandohan'ny onin'i Mahajamba dia avy ao Anjozorobe; Betsiboka avy ao Ambohidratrimo; Ikopa sy Sisaony avy any Ankaratra; Isandrano avy any Miarinarivo; Manambolo avy any Tsiroanomandidy; Sakay sy Lily avy any Itasy, Kitsamby avy any Arivonimamo ary Onive avy any Antsirabe.

Fizahan-tany

Antananarivo dia tsy dia manana toerana mahasarika ny mpizaha tany loatra mihoatra ireo faritany hafa. Ny tena misongadina dia ny valanjavabohary "Tsimbazaza"

Jeografia

Eo ampovoan'ny nosy ny misy an' Antananarivo, ao amin'ny Nosin'i Madagasikara (firenena mizaka tena), any atsimo andrefanan'ny Ranomasimbe Indianina.

Toe-tany

Ny toe-tanin'i Antananarivo dia araka ny fanasokajian'i Köppen ny toe-tany dia Cwb izany hoe manana toe-tany trôpikaly antonontonony nohon'ny haavon'ny tany. Amin'ny volana Oktobra hatramin'ny volana Martsa dia mafana ny andro ary mety mahatratra hatrany amin'ny 35°C any ho any ny mari-pana, amin'io enimbolana io dia mahery ny 50mm isam-bolana ny latsak'orana. Amin'ny volana Aprily ka hatamin'ny volana Septambtra dia antonontonony ny hafanana. Amin'io enimbolana io dia latsaky ny 50mm ny latsak'orana.

Fampahalalana mikasika ny toe-tanin'i Antananarivo
Volana Jan Feb Mar Apr Mey Jio Jol Aog Sep Okt Nov Des Taona
Ambony indrindra °C (°F) 33
(91)
32
(90)
31
(88)
31
(88)
29
(84)
27
(81)
27
(81)
29
(84)
33
(91)
35
(95)
34
(93)
33
(91)
35
(95)
Elanelana avo °C (°F) 27.7 25.9 25.4 24.8 22.9 20.9 20.2 20.6 23.0 25.2 26.0 25.8 24,0
Antonotonony
ambany °C (°F)
16.6 16.9 16.3 15.2 12.9 10.8 10.3 10.3 11.3 13.4 15.1 16.3 13,8
Ambany indrindra °C (°F) 12
(54)
11
(52)
11
(52)
7
(45)
4
(39)
1
(34)
3
(37)
2
(36)
3
(37)
6
(43)
6
(43)
11
(52)
1
(34)
Latsak'orana mm (inches) 270.4
(10.646)
256.9
(10.114)
183.1
(7.209)
50.5
(1.988)
20.1
(0.791)
7.2
(0.283)
11.1
(0.437)
15.0
(0.591)
9.5
(0.374)
66.6
(2.622)
170.8
(6.724)
304.1
(11.972)
1 365,3
(53,752)
Elanelan'ny andro latsaka orana 18 17 17 9 6 6 8 9 4 8 14 20 136
Ora isian'ny masoandro 210.8 179.2 198.4 219.0 229.4 207.0 213.9 235.6 249.0 251.1 234.0 201.5 2 628,9
Source no. 1: World Meteorological Organisation (UN) [1]
Source no. 2: BBC Weather [2]

Mponina

Merina no iantsoana ireo tompon-tany fa noho ny maha-renivohitra azy dia hita ao daholo ireo foko isan-karazany ao Madagasikara.

Toe-karena

Tanàna namana

Sary

Tsiahy

  1. "World Weather Information Service - Antananarivo". Direction of Meteorology and Hydrology, Madagascar. June 2011. Archived from the original on 18 April 2010. Retrieved 2010-05-04. {{cite web}}: Unknown parameter |deadurl= ignored (|url-status= suggested) (help)
  2. "Average Conditions Antananarivo, Madagascar". BBC Weather. Archived from the original on May 26, 2005. Retrieved September 9, 2009.