Air Madagascar

Avy amin'i Wikipedia
Foiben'i Air Madagascar ao Analakely
Boeing 737-300 any Faradofay

Air Madagascar (Airmad) dia orinasa fitaterana malagasy amin'ny alalan'ny fiaramanidina, izay naorina tamin'ny taoan 1961. Tamin'izany fotoana izany dia Madair no anarany, izay novaina ho Air Madagascar ny taona manaraka.

Amin'ny volana oktobra 2021, Air Madagascar, napetraka tamina receivership, dia hiaraka amin'ny sampana Tsaradia hanangana indray ary ho lasa Madagascar Airlines.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Tamin'ny taona 1961 dia naorina ho anisan'ny sampanana an-toeran'ny orinasa Air France ny kaompania Madair.

1962 : Navadika ho Air Madagascar ny anaran'ilay kaompania (izay mifototra ao amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenen' Iivato). Hofainy ny Boeing 707 an'i Air France.

Taona 1970 : Itarina ny isan'ireo seranam-piaramanidina izay andehanan'i Airmad : Maorisy, Kenia, Seisela ary Afrika Atsimo. Boeing 737 roa no novidiana vaovao (5R-MFA Boina ary 5R-MFB Sambirano) ary nampiasaina nanditry ny 36 taona. Novidiana vaovao ihany koa ny Boeing 747-2B2M Combi (5R-MFT Ankoay). Nampiasaina nandritry ny 20 taona izy io ; ary io ihany no Boeing 747 ananan'i Airmad.

1998 : Misokatra ny zotra Antananarivo-Singapaoro.

Taona 2000-2004 : Noho ny fahasarotana ary noho ny krizy ara-tsôsialy ary ara-pôlitika tamin' ny taona 2002, voatery nisaraka tamin'ny Boeing 767-ny rehetra ilay kaompania, ary B-767-300 an'i Blue Panorama no nohofainy hahafahany manao ny zotra Antananarivo-Paris CDG. Araka ny fifanarahana nahomby nataon'i Airmad tamin'i Lufthansa Consulting izay manan-tanjona ny hampiharina ny kaompania, nahazo Boeing 767-300 ilay kaompania. Tamin'ny 2004 indray dia novaina ny filokon'ny fiaramanidin'i Airmad. Niampy roa indray ireo seranam-piaramanidina izoran'i Airmad : Bangkok ary Milan. Boeing 767-300 hafa indray no ampiasain'ilay orinasa.

Taona 2005-2009 : Voavao tanteraka ireo ATR nampiasain'i Airmad. Ny taona 2007, anisan'ny seranam-piaramanidina izoran'ny Airmad ny seranam-piaramanidin'i Marseille. Ny taona 2009 : misokatra ny zotra mankany Guangzhou (Sina).

Taona 2010-2012 : Ny taona 2001. Voasoratra ao amin'ny lisitra mainty tsy afaka misidina eo amin'ny lanitra eoropeanina ny Boeing 767-300 an'i Airmad. Ka noho izany izy tsy afaka mankany Paris na Marseille intsony. Ny taona 2012 : azon'i Airmad ho solon'ny Boeing 767 voalisitra mainty ny Airbus A340-300. Azo ny 30 Jiona 2012 ny A340 faharoa[1]. Somary tara kely ny fahatongavan'ilay Airbus faharoa noho ny olana teo amin'ny elany havanana[2]

Amin'ny volana oktobra 2021, Air Madagascar, napetraka tamina receivership, dia hiaraka amin'ny sampana Tsaradia hanangana indray ary ho lasa Madagascar Airlines.

Zotra[hanova | hanova ny fango]

Manana zotra 27 Air Madagascar eo amin'ny firenena malagasy ary maro ireo zotra ivelam-pirenena : Paris, Marseille (Frantsa) any Eoropa ; Nairobi (Kenya), Johannesburg (Afrika Atsimo) ao Afrika ; Saint-Denis (La Réunion), Moroni (Komaoro) ary Anjouan (Komaoro), Mayotte ary Maorisy. Lasa zotra fanampin'i Air Madagasikara ireo tanànan'i Azia toa i Bangkok (Tailandy) na Guangzhou (Sina).

Tamin'ny taona 2006, ny isa manontolon'ny mpandeha tamin'i Air Madagascar dia nahatratra enina hetsy ; 7 000 t ny fret ary 80 miliara Ariary (400 miliara Franc Malagasy) no vola vokatra.

  • Mizara kaody amin'i Air France (SkyTeam) ary Air Austral i Air Madagascar.

Mpitazona anjara[hanova | hanova ny fango]

  • Fanjakana malagasy : 91,09%
  • Antoka ARO : 5,63%
  • SONAPAR : 2,57%
  • Antoka Ny Havana : 0,33%
  • Air France: 0,26%
  • Mpiasan'i Air Madagasikara ary anjaran'olon-tokana : 0,12%

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2012-10-09. Retrieved 2012-07-02.
  2. Air Madagascar : retard de l’arrivée du 2ème Airbus A340-300